Alakamisy 22 jolay 2021 — Masimbavy Maria Madalenina — Lazao anay, ry Maria, izay hitanao teny an-dalana. Ny fasan'i Kristy velona no hitako sy ny voninahitr'Izy tafatsangan-ko velona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 1. 11-18
I Jesoa dia nanana ny fahasahiana, araka ny voalaza amin'ny Evanjely : Nisy lehilahy iray maty tànana nositraniny tamin'ny andro sabata. Fahasahiana manao akory ny an'i Jesoa teto? fahasahiana te hanambara ny maha-Izy Azy. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean-Luc Ratovonjanahary.
Alarobia 21 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 1-9
Maro ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina no mitantara ny resaka fahasahiana na ireo olona sahy nanapa-kevitra sy niroso hanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Ohatra vitsivitsy ireto : Eks 10,26 Mt 6,30 Rom12, 1;2. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P Jean-Luc Ratovonjanahary.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco