Rehefa nanaiky ny ho resin'ny mpaka fanahy i Adama sy Eva dia nanota, nanimba ny toetra voajanahary maha olombelona azy ireo ny fahotana. Noho izany ny fototry ny fahapotehana manjo ny isam-batan'olona sy ny fiaraha-monina dia ny fahotana. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 29 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15
Tsy voaary natao hitoka-monina ny olombelona fa lalim-paka ao amin'ny toetra nahariana azy sy ny fifandraisana amin'ny hafa, ary tsy afaka hiaina sy hivelatra araka ny maha izy azy izy raha tsy mifandray amin'ny hafa. Tsy ny olombelona tsirairay ihany no endrik'Andriamanitra fa ny fiombonana ihany koa. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 28 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 31-36
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco