Tsy anjaran'ny Fanjakàna sy ny Eglizy samirery ny ezaka hampandroso ny olona sy hahay hikirakira ny teknôlôjia fa manana anjara ihany koa ny tsirairay miainga ao an-tokantrano izay fiangonana fototra. Mahasarika tanora maro ny fitaovan-tserasera lasa sampy ho an'ny hafa izany hoe toy ny Andriamanitra mihitsy. Tsy ireny anefa no ratsy fa ny fitiavana azy tafahoatra no maha ratsy azy. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Sabotsy 7 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo; satria midina ety ambonin’ny tany androany ny hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 1-12
Sarotra ny fampitana ny finoana amin'ny tanora ao an-tokantrano noho ireto antony ireto : mafy ny tosika etin'ny teknôlôjia, miakatra ny vidim-piainana, tsy miaina loatra ny finoana ny olona fa mihefitra izany ho fialamboly. Tsy afaka ny hilaza isika fa tsy mila ny fandrosoana , indrindra ny teknôlôjia, satria azo lazaina fa efa tara be isika eto Madagasikara mihoatra amin'ny firenena hafa. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Zoma 6 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga Zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 6b-11
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco