18 jona — Miaramila tao amin’ny tafika romanina i Léonce, ary mpitoka-monina iray no nampibebaka azy. Nozarainy tamin’ireo mahantra ny sakafon’ny tafika misy azy. Ary tsy niafina izy tamin’ny fitiavam-bavaka an’i Kristy, sy nanameloka ny fivavahana amin’ny sampy.
Hoy i Masindahy Igniace tamin'ny taon-jato faharoa hoe : amin'ny toerana misy ny Eveka no misy ny Eglizy ; tsy afaka hiteny Eglizy mihitsy raha tsy misy Eveka ary tsy "Valide" ny maha Eglizy ny Eglizy raha tsy misy Eveka. Ny fanamasinana eveka iray dia tanterahina ao anatin'ny fankalazana iray mba hanome lanja ny fandraisany ny raharaha maha eveka azy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
17 jona — Teraka ny taona 520 i Hervé. Harivian sy Rivanon no anaran’ny ray sy reniny. Harivian rainy dia mpihira tao amin’ny nosy Grande-Bretagne, ary efa niasa tao amin’ny lapan’ny mpanjaka Childebert. Mpivavaka sady madio ity rainy ity ka tsy azoazony ny nipetraka tao an-dapa, nanapakevitra izy fa hanokana ny fiainany amin’Andriamanitra.
Toa an'Andriamanitra Raintsika, naniraka ny Zanany ho Mpiandry ondry dia Ray ny Eveka ; Raiamandreny eo anivon'ny Eglizy ary Raim-pianakaviana mitondra ny mpianakavy. Ny Mpiandry ondry tsara araka ny hamaritan'ny Tenin'Andriamanitra azy dia tonga hanompo fa tsy tompoina. Ny Kristianina dia manana adidy hiaino ny Eveka, ary tokony hanatanteraka izay ampianariny... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco