Solon-tenan'ny Eglizy eo amin'ny Diôsezy ny Eveka, noho ny fiombonany amin'ny Papa no maha-solon-tenan'ny Eglizy manontolo azy ampirasin'ny fiadanana sy fifankatiavana ary firaisan-kina. Ny Evekan'i Roma dia ny Papa. Izy no filoha sy fototra maharitra ary hita maso mampiray ny Eveka rehetra sy ny Kristiana. Ny Eveka dia mampandroso sy mitandro ny finoana ho iray... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny Papa izay manana ny fahefana feno amin'ny fitondrana sy ny fampianarana ny Eglizy no filohan'ny Eveka rehetra. Ny eveka rehetra dia miombona amin'io filohany io mba hahalavorary sy feno ny fahefan'ny Papa. Avy amin'i Kristy Lohan'ny Eglizy io fahefana io satria izy nanangana an'i Simôna ho vatolampy sy mpitana ny fanalahidy eo amin'ny Eglizy, nametraka azy ho Mpiandry ny andian'ondry... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ao amin'ireo Eveka otronin'ireo pretra no mitoetra anivon'ireo mpino i Jesoa Kristy Tompo, Mpisorona fara-tampony. Mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra Ray Izy, kanefa tsy banga ny toerany eo afovoan'ny fivorian'ireo evekany. Ny fanamasinana Eveka dia manome feno ny sakramentan'ny Filaharana, mametraka adidy hanamasina sady hampianatra no hizaka... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ho fitohizan'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ka haharitra ambara-pahatapitry ny taon-jato rehetra dia nanendry mpandimby ny Apôtsôly dia ny Eveka, izay mihaino ny Eveka dia mihaino an'i Kristy. Ny Eveka dia manana adidy handavorary sy hanatevina ny asa nataomboky ny Apôstôly, nanankinana ny andian'ondry manontolo, mampianatra ny foto-pinoana, Mpisorona... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco