Ny Jody : mifandray amin'Andriamanitra amin'ny fivavahany sy ny finoany izy fa tsy mifandray mivantana amin'ilay Eglizy vahoakan'Andriamanitra. Ny vahoaka Jody no anisan'izay nandray ny fampanantenana ary notiavin'Andriamanitra mandrakariva noho ireo Patriarka teo aminy ; tsy narian'Andriamanitra velively ny olony hoy i Masindahy Piera Apôstôly... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Ny fiombonana tadiavina dia tsy resaka natao hitadiavana izay marimaritra iraisana fa tena fiombonana anatin'ny tena fahamarinana. Ny Eglizy katôlika izay amafisin'ny Papa Benoît faha-XVI dia manana ny fitaovana feno ho amin'ny femonjena, izany anefa tsy misakana ny hanomezana lanja izay harena ao amin'ireo fiangonana kristianina hafa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Tsy amin'ny toerana voafaritra ihany no iasan'Andriamanitra, ary ny fiombonana dia miorina tsikelikely amin'ny fahalalana sy ny fiekena fa mandray ny fanomezan'Andriamanitra ihany koa ireo fiangonana hafa tsy katôlika. Mamohafoha faniriana sy ezaka ny Fanahy ao amin'ny mpianatr'i Kristy rehetra mba hanajan'izy rehetra ny fomba naraikitr'i Kristy hahatafaray azy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Ny Kristianina tsy katôlika dia tsy raisina ho toy ny mpankato na mpivoy fampianaran-diso izy ireny fa toy ny rahalahy tafasaraka. Maro amin'izy ireny ny manome toeram-boninahitra ny Soratra Masina ankatoaviny ho fitsipi-pinoana sy fitondran-tena. Maro ireo maneho zoto eo amin'ny fitiavam-bavaka ary mino am-pitiavana an'Andriamanitra Ray Mahefa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...