Ny olombelona dia olon'ny fifandraisana. Natoraly ho an'ny olombelona ny fifandraisana miaraka amin'ny manodidina azy. Ny olona tsy afaka mifandray amin'ny hafa dia olona voasokajy ho olona voasazy. Na natoraly ho an'ny olombelona aza anefa dia mila voizina sy kolokoloina ny fihaonana : na ao an-trano na ao amin'ny toeram-piasana na eny anivon'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
Mila fahaizana mandanjalanja ny fampiasana ny tambanjotran-tserasera mba tsy hanimbana ny soatoavina toy ny fifankatiavan'ny mpianakavy, ny fihavanana, ny fifaneraserana. Tsy tokony hanimba ny maha izy anao sy ny hafa ny fampiasana ny tambanjotran-tserasera fa tokony ho entina mampivoatra ny maha-olona hita ao amin'ny fanabeazan'ny Soratra Masina sy ny Eglizy. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Manana ny heviny ny Eglizy katôlika manoloana ny fampiasana ny tambazotran-tserasera. Ambara mazava fa tsy misy lalàna na andinin-dalàna manome alalana na mandrara ny fampiasana ny "Facebook" raha ny ato anivon'ny Eglizy katôlika. Azo lazaina fa afaka ho sehatra fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny "Facebook", azon'ny Eglizy hanatevenana ny fifandraisany amin'ny ireo tsy tonga any am-piangonana. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Isan'ireo voka-dratsin'ny "facebook" ny faharavan'ny tokan-trano maro. Misy ireo mpivady zary mifampiahiahy sy tsy mifampatoky intsony, ary mety hitarika hatramin'ny fisarahana. Variana amin'ny fampiasana finday na solosaina ny mpivady ka miteraka tsy filaminan-tsaina izany. Mety hiteraka tsikelikely ny faharavan'ny fifandraisana sy ny elanelana eo amin'ny mpianakavy. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco