Ny tontolo iainana dia izay misy rehetra ka mifandray amin'ny fiainan'ny olombelona, na ny hita maso na tsy hita, na ny manana aina na tsia. Tontolo iainana : ny tany, ny rano, ny zava-maniry, ny biby amam-borona isan-karazany, ny rivotra, ny masoandro, ny volana ny kintana, ny habakabaka ary ny olombelona ; izany hoe izay rehetra misy ety ambonin'ny tany sy ny any ambany any koa. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Amin'ny maha-kristiana dia fantantsika tsara fa avy amin'ny fibebahan'ny fo ihany no miantoka ny ho avin'ny fandriampahalemana, satria ny antony miteraka ny ady dia avy amin'ny atifon'ny olombelona ihany. Avy ao am-po no miloatra ireo tenim-pahamarinana izay afaka manafoana ireo aloka manarona ny tontolo mikombona ka ahafahana manangana sivilizasiôna tsara kokoa. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Tena ilaina hoy ny Papa ny fahaiza-miteny amin'ny fo, mba hikoloana sy hivoizana ny kolontsain'ny fihavanana, indrindra any amin'izay misy ady. Mila olona mahay miserasera vonona ho amin'ny fifanakalozan-kevitra isika, vonona hirotsaka amin'ny fandrisihana hanafoanana manontolo ny fitaovam-piadiana. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Hoy ny Papa François : "Eny fa na ao amin'ny Eglizy aza, dia tena ilaina tokoa ny fihainoana sy ny fifampihainoana, izany no fanomezana maimaimpoana sy sarobidy indrindra azontsika ifanolorana". Avy amin'ny fahaiza-mihaino am-pitandremana no teraka ny "fandraisam-pitenenana mendrika". Tena ilaina ny fomba fifaneraserana mandona ny fo toy ny diloilo manasitrana. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco