Ny Eglise miara-dia maneho ny fiaraha-misalahy, fiarahana manatratra tanjona iray.  Rehefa tsy miara-dia dia trotraka eny an-dalana ; toy ilay zaza mpandany izay trotraka noh ny fisitahany tamin'ny ankohonany, ary ny zokiny lahy dia nisitaka tamin'ny fiombonana ao amin'ny rainy. Fepetra tsotra amin'ny fifandraisana ao an-tokantrano : fifampitokisana eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ilay zaza mpandany dia lasa voafehin'ny filan'ny nofo, noana izy ary ny fijalian'ny nofony no nahatonga azy hiasa. Niova ny fifandraisana nisy teo amin'ilay zaza mpandany sy ny ray aman-dreniny, izay no nitondra azy tamin'ny kilasin'ny mpiasa ; ny tokony ho izy dia mpiara-miasa ny ray aman-dreny sy ny zanaka ary tanjona ny fanasoavana ny hafa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Antso avy amin’Andriamanitra ny asan’ny vehivavy mpikarakara tokantrano. Ny hevitry ny asa dia fantatra tsara ao amin’ny fanoharana 3 ao amin’ny Soratra Masina. Ny asa dia endrika fanandevozana rehefa tsy an-tsitrapo. Ohatra amin’izany ilay zanaka mpandany: tsy olona afaka izy fa voagejan’ny fotoana sy ny hanoanana. Ny mpiasa dia manana fifanarahana mazava ahafahana miasa ara-drariny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny endriky ny asa ao anatin'ilay fanoharana momba ny zaza mpandany dia asa manandevo satria miara-miaina amin'ny biby. Rehefa niaina tao anaty fahantrana lalina dia nitodika tany amin'ny rainy ilay zaza, nibebaka ka nangataka ho mpiasa noho ny hanoanana. Ny asa eto : ilay olona andevozon'ny kibo, andevozin'ny nofo ; andevo satria tsy afaka fa teren'ny fotoana sy kibo. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...