Ny relijiozy dia manaraka ny torohevitra, manao voady ampahibemaso ho ren'ny vahoakan'Andriamanitra. Ny relijiozy dia manana lehibe dia iny no maniraka azy ; ny diôseziana dia ny Eveka no maniraka azy amin'ny toerana iasany. Ny Relijiozy dia mandray sy makatoa ny fitsipi-piainana atolotr'ireo mpanorina ny fikambanana rahefa nalamina sy voadinika tsara... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Ny faneken'ny Papa no maneho fa ankatoavin'ny Fiangonana ny fijoroan'ny Fikambanan-drelijiozy iray. Adidin'ny Fiangonana ary isan'ireny relijiozy ny miandry ny vahoakan'Andriamanitra sy mitondra azy eny amin'ny fiainana tsara. Adidiny ihany koa ny mametraka lalàna sy mitantana amim-pahendrena araka ny Vaovao Mahafaly ; mampirisika ireo fikambanana handrafetana ny Vatan'i Kristy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Tsy anatin'ny filaharam-pitondrana ao amin'ny Fiangonana ny fiainan-drelijiozy, manaraka ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly ; tsy tafiditra amin'ny sakramentan'ny filaharana tahaka ny Eveka, Pretra sy Diakra. Na izany aza dia voatokana hanompo ny Tompo sy hanome voninahitra Azy ny tenan'ny relijiozy. Ny relijiozy dia manavao isanandro ny fanomezan-toky tamin'ny Batemy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Ny relijiozy dia nanokan-tena ary nandao ny zavatra rehetra ary nanaraka an'i Jesoa Kristy, araka izay voalaza ao amin'i Matio 10, 28 : Indro izahay efa nandao ny zavatra rehetra ka  nanaraka Anao. Ny toe-piainan'ny relijiozy dia mikatsaka an'Andriamanitra irery ambonin'ny zavatra rehetra, ka hibanjina Azy sy hifikitra Aminy amin'ny fony sy ny sainy, no hirehi-pitiavana ho apôstôly, hiezaka hifarimbona amin'ny fanavotana... ... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...