Tsapa, hita-poko, hita-pirenena fa maloto ny tontolo iainana ka miatraika amin'ny fiainan'ny rehetra. Ny fahalotoan'ny rivotra iainana dia miteraka voka-dratsy samihafa amin'ny fahasalamana, indrindra fa ho an'ireo mahantra, noho ny fifohana setroka matevina avy amin'ny zavatra atainany ahandroan-tsakafo na amindroana, manafaingana ny fahafatesan'ny olona... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

An'Andrimanitra ny aina koa tsy misy afaka manesotra izany. Ny fankahalana dia endrika famonoana. Irin'Andriamanitra ny hananan'ny olona tsirairay sy ny fiaraha-monina manontolo fiadanam-po. Noho izany indrindra no hiampangan'i Jesoa ny faharatsian'ny fahatezerana mahaty sy ny fankahalana izay samy tsy mitondra makany amin'ny fandriam-pahalemana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Ny tanjon'ny soa iombonana dia fandrosoan'ny fiaraha-monina, ; tsy ho tratra anefa izany raha tsy misy ny fiaraha-monina milamina sy mirindra. Ny fandriam-pahalemana dia tsy zavatra azo indray mandeha dia izay, fa zavatra tsy maintsy aorina lalandava, mila faharetana, iarahan'ny daholobe mikatsaka. Fandriam-pahalemana : fitandroana fananan'olona, fihavanan'ny olona rehetra. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Ny fiaviana ara-poko izay manavaka ny vondron'olona samihafa dia tafiditra ao anatin'ny sehatry ny soa iombonana, nefa tsy ampy amin'ny famaritana azy manontolo. Io soa iombonana io dia tsy azo faritana ara-poto-pampianarana amin'ny lafiny manan-danja sy lalina indrindra, ary tsy azo faritana ara-tantara raha tsy miresaka momba ny olombelona. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...