Avy amin'Andriamanitra ny fahefana takian'ny lamina ara-môraly ka tokony hikatsaka mandrakariva ny soa iombonana. koa raha sendra manao lalàna na mandray fepetra mifanohitra amin'izany lamina ara-pitondratena izany ny mpitondra ary tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy afaka mamatotra ny feon'ny fieritreretana ireo fepetra ireo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Ny rafi-pandaminan'ny olona no tokony hifehy ny rafi-pandaminan'ny zavatra fa tsy ny mifanohitra amin'izany tsy akory : " Ny fanasoavana ny olona no tsy maintsy tsinjovina mandrakariva amin'ny fandaminam-bahoaka sy ny fandrosoany. Ny mpiara-belona no miantoka ny fahamarinana ara-piaraha-monina amin'ny fanatanterahany ny fepetra afahan'ny fikambanana sy ny isam-batan'olona mahazo ny zon'izy ireo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Ny soa iombonana dia iray tsy mivaky. Toe-tsaina tokony ho fongorantsika hatramin'ny fakany ny fitiavan-tena, ny tsy fahaizana mizara ny soa amin'ny hafa. Endriky ny tsy fahavononana hikatsaka ny soa iombonana io fitiavan-tena io. Samy nomen'Andriamanitra talenta avokoa ny isam-batan'olona, talenta tsy natao ho tehirizina fotsiny fa natao ho zaraina amin'ny hafa. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Tsy azo zarazaraina ny soa iombonana : raha samy maka ho azy dia mivoana amin'ny maha soa iombonana azy. Sady an'ny besinimaro no an'ny tsirairay, an'isam-btan'olona ny soa iombonana. Tsy ho tratran'ny olona iray fotsiny ny fahatanterahan'ny soa iombonana fa tsy maintsy iaraha-mientan'ny rehetra. Amporisihan'ny Eglizy katôlika ny fiombonan'ezaka ho fitandrovana ny soa iombonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco