Isika olombelona dia mpiara-miasa amin’Andriamanitra. Izany hoe: manohy ny asa fahariana, hanome aina sy hikolokolo an’izay nohariny. Fahefana sy tso-drano nomen’Andriamanitra antsika olombelona io, hampirindra sy hampilamina ny misy manontolo. Izany hoe: tsy hanova na hanakorotana izay nataon’Andriamanitra. Matoa tsizarizary ny fiainantsika dia satria simba ilay tontolo iainana... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Lafiny roa no azo hamaritana ny atao hoe: tontolo iainana. Ny voalohany dia ny zavatra rehetra noharian’Andriamanitra hivelomantsika olombelona (iankinan’ny aina) tany, rivotra, rano, afo sns. Ny faharoa dia ireo nohajarintsika olombelona : taozavatra, asa tanana, lalana sns… natao ireny mba hanamorana sy hampirindra; hanatsarana sy hiarovana ny fiainana (aina). Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Eo anivon’izao tontolo izao no naharian’Andriamanitra antsika olombelona. Jen 1, “Noharian’Andriamanitra izao rehetra izao (Rano, tany, rivotra, ny hazavana sns …) izay Izy vao nahary ny olombelona. Noho izany tsy misaraka ary miankina tanteraka amin’ny tontolo manodidina antsika ny fahavelomana sy ny fivoarana ary ny fitombohantsika olombrelona... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Raha ity lohahevitra ity no raisina dia azo ambara fa maneho ny maha izy ny kristianina tsirairay avy ny fanajana ny tontolo iainana. Izany hoe: mamaritra ny toe-piainana sy ny adidy tokony atao mba ho voninahitr’Andriamanitra voalohany indrindra ary ny faharoa dia mba ho fiadanana ho antsika olombelona. Ny hoe kristianina dia tsy hoe mankatoa an’A/tra fotsiny, fa manaja ihany koa ireo noahariany. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco