Trangam-piaraha-monina vaovao mihamirongatra eto amin'ny firenena ny zava-mahadomelina rôrô. Ny rôrô dia loza manohitohina ny saim-bahoaka sy manimba ny ho avin'ny tanora malagasy raha tsy voasoroka mialoha. Ny rôrô dia "heroine" ihany fa miendrika vovo-javatra fotsy izay mitondra tsirony mangidy, mifangaro zavatra maro izy io toy ny siramamy, kininina, fentanyl... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Hoy ny mpamokatra sy mpamarotra khat hoe : tena vola malaky ny khat satria kelikely fotsiny no amidy dia efa vola be. Ho an'ireo mpanjifa azy kosa dia tena fandaniana be no atao amin'ny fanjifana azy. Lafo be ny vidin'ny khat rehefa volana mey ka hatramin'ny volana jolay satria sarotra ny ahitana azy, lafo mihoatra ny vidin'ny sigara. Miteraka fifamaliana ao anati'ny tokantrano ny tsy fananana fahefa-mividy. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Mba ahazoana ny "cathinone" anatin'ny khat dia ilaina tsakoina sy alona ao am-bava mandritra ny 3 hatramin'ny 4 ora ny raviny. Raha tsy hohanina mandritra ny 3 andro nanapahana azy ny khat dia miova ny tsirony ary tsy mandaitra loatra intsony. Rehefa mamon'ny khat ny olona iray dia mety ho romodromotra na sorena lava ka tsy mahalala ny tokony hatao intsony. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ny khat dia amidy toy ny fivarotana legioma any amin'ny faritra maro. Ny fiankinan-doha amin'ny khat dia ahitana ny ambaratonga rehetra misy amin'ny fiaraha-monina. Olon-tsotra, olona tsy an'asa, ny mpamily sy ny mpandeha taxi-brousse, mpitantana, mpianatra, manampahefana, ny zaza amam-behivavy, samy mihinana azy avokoa. Ny mpivarotra iray dia mety halafo 9 ka hatramin'ny 10 fehezana isan'andro. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco