Masina sy voatokana ny firaisana ara-nofo, ary ampahafantarina ny tanora, indrindra amin'ny fandalinam-pinoana ho firosoana amin'ny Sakramentan'ny Fankaherezana. Ny fahasamihafan'ny lahy sy ny vavy, ara-pananahana dia fitaovana ho entin'Andriamanitra hiarahana miasa amin'ny zanak'olombelona hitehirizana ilay aina avy Aminy. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Mba hanomanana ny ho avy dia tokony halefa mianatra any an-tsekoly ny ankizy sy ny tanora raha mbola misy ny fahafahana, tombontsoa ho azy ireny izany sady ho an'ny fiaraha-monina sy ny firenena. Ho fanampiana ny fanabeazana any an-tsekoly dia tsara ny fampidirana ny ankizy na ny tanora amin'ireny karazana fikambanana fibeazana ireny, any dia misy fitsipika sy lalàna mahasoa. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Ao an-tokantrano no sekoly voalohany ho an'ny ankizy, noho izany dia miainga ao anivon'ny fianakaviana ny fanabeazana. Fanabeazana miainga amin'ny fifampiresahana, amin'ny fanoroana ny ankizy mba handray andraikitra ary hifanakalo hevitra, ireny dia fomba hahaizan'ny tanora manao ny safidy sy miatrika ny vokatry ny safidiny. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Mety hiteraka fahafatesana eo am-piterahana ny fitondrana vohoka aloha loatra. Ny fitondrana vohoka aloha loatra dia antony hialan'ny tanora amin'ny fianarany satria miteraka henatra sy tsy fifantohana ny tranga. Ny fiainana ny fahadiovana dia sady voninahitra ho an'ny tena no voninahitry ny fianakaviana no sady fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra ihany koa satria tenimpolin'ny Fanahy Masina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...