Ao am-pon'ny Papa François i Madagasikara matoa izy tonga taty, porofo izany fa manana raiamandreny mpiahy isika. Manaja sy mankato an'ny Papa Fransçois ny Malagasy matoa nanasa azy hanao fitsidihana teto amin'ny nosy. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny zava-nisy dia nifarana ny ady tao amin'i "Golfe de Persique". Namaha ny olana teo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa no votoatin'ity ansiklika ity. Isan'ny olana goavana ny fampiasana renivola sy ny asa, izay nampisongadina ny elanelana teo amin'ny mahantra sy ny mpanana. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Faha-zato taonan'ny "rerum novarum", nirodana ny rafi-pitondrana Sovietika (1989). Nahasongadina ny fivelarana amin'ny lafiny mahaolona ary noresahina ny maha samy hafa ny fandrosoana sy ny fivoarana. Ny fivoarana marina dia tsy afaka ny hianona amin'ny harena fotsiny. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Tsy ny firehan-kevitra no ampy hamaly ny fihantsian'ireto fanamby ireto : ny fiitaran'ny tanàna, ny tontolom-piainan'ny tanora, ny toerana misy ny vehivavy, ny tsy fananana asa, ny fifindra-monina, ny herin'ny fitaovam-pifandraisan'ny mpiara-belona. Feno 80 taona ny "rerum novarum" tamin'ny 1971, ary teo koa ny firoborobon'ny indostria. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco