Anjaran'ny laika ny raharaha politika : mamorona sy mahay misantan-javatra, mitarika amin'ny sehatra sosialy, politika, fiharian-karena. Ny laika no foto iorenan'ny fiveralan'ny fiaraha-monina. Ilaina ny firotsahan'ny laika amin'ny raharaha politika mba ho fitaratra sy ho soa iombonana. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Mamaha krizy fotsiny ve ny mpitondra fanjakàna?. Hoy ny Papa François : "tsy mpamaha krisy fotsiny no andraikitry ny mpitondra fanjakàna fa natao hamoron-javatra hikendrena ny soa iombonana". Ny asa momba ny politika dia manome ny vahaolana rehetra takian'ny olana maro lafy ary tsy maintsy mikendry tombontsoa iraisana. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Manana adidy ny mpino haneho hevitra, manoloana ireo fombam-pitantana, tsy ahitana ny taratry ny maha-kristiana, indrindra ny ara-moraly, izany hoe endrim-pitantanana "jadona" . Ny jadona dia : tsy refesimandidy. Ny tantara no nampianatra antsika ny hoe "jadona" satria ireo nahazo ny fitondrana na fahefana ary mampiasa ny jadona mba hifehezana ny tany sy ny firenena. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Raha manao asa, mihataka ny lalan-tsain'ny fiangonana ny mpitondra sy izay nomena fahefana dia aoka ny olona tsy handà izay takian'ny soa iombonana amin'ny fomba tsy mitanila. Azon'ny olom-pirenena atao ny miaro ny zony sy ny mpiray tanindrazana azy amin'ny fanoherana ny fanararaotam-pahefana araka izay voafaritry ny lalana sy ny Evanjely. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...