26 nôvambra — Teraka tao amin'ny diôsezin'i Brabant, Diest ao Belgique tamin'ny 13 marsa 1599 i Jean Berchmans. Nandalina ny fahalalana momba ny classiques tao Malines izy nanomboka ny taona 1612, tao amin'ny sekolin'ny zezoita.

Rehefa namaky ny asa soratr'i Pierre Canisius sy i Louis de Gonzague izy, dia nahatsapa fa voaantso hiditra ao amin'ny Fikambanan'i Jesoa, izay saika tsy nahazoany fankatoavana avy amin'ny rainy mihitsy raha tsy ela. Tamin'ny taona 1616 izy no niditra tao amin'ny noviciat tao Malines ary anisan'ny nampiavaka azy ny fandalinana akaiky sy ny fanajana ny fitsipi-piainan'ny fikambanana. Ny fampianarana katesizy ho an'ireo ankizy sahirana sy mahantra no tena tiany. Faly lava sy tia vavaka izy, ka nanintona ireo nifanerasera taminy. Hoy izy hoe : "Rehefa tsy masina amin'ny fahatanorako aho, dia tsy ho masina intsony". Tsy nisy fitsaharana ny hafatokisany sy ny fitiavany an'i Masina Maria. Rehefa nanonona ny voadiny tao amin'ny fikambanana izy, notanterahana tao amin'ny Sanctuaire de Notre-Dame de Montaigu, dia nalefan'ny lehibeny ho any Roma, nandeha an-tongotra niraka amin'ireo namany, mba hanohy ny fandalinana ny filôzôfia. Nandimby ny toeran'i Masindahy Louis de Gonzague izy, tao amin'ny efitrano nipetrahany, ka niezaka nianatra ny hatsaram-panahin'io olomasina io.

Ny taona 1621, nanomboka niharatsy ny fahasalamany. Na izany aza dia afaka niatrika ny fanadinana farany, izay nandalinany ny momba ny filôzôfia izy ny 8 jolay tamin'io taona io, ary vitany soa aman-tsara izany. Tampoka, narary ny kibony, ary nentiny mandra-maty izany. Tao Roma izy no nodimandry ny 13 aogositra 1621 teo amin'ny faharoa amby roapolo taonany. Nisedra mafy ny fampijalian'ny demony izy ary nahazo ny sakramenta fanomen'ny Fiangonana ny zanany talohan'ny nahafatesany. Tamin'izany ihany koa no nanavaozany ny voadiny, nanononany ny Anara-masin'i Jesoa sy i Maria, ary natory am-piadanana tao amin'ny Tompo avy eo. Nampaneoina ny lakolosin'ny kôlejy tao Roma tamin'ny fotoana nodiany any amin'ny mandrakizay.

Hajaina ao amin'ny fiangonana Masindahy Ignace de Loyola ao Roma i Masindahy Jean Berchmans. Nasandratry ny papa Pie IX ho olontsambatra izy ny taona 1865, ary ny papa Léon XIII no nanambara fa olomasina izy, ny taona 1888. Manaja azy ihany koa ireo mpiofana ho zezoita. Anisan'ny hita amin'ny sary famantarana azy ny hazofijaliana, ny chapelet, ny boky momba ny fitsipi-piainan'ny Fikambanan'i Jesoa. Misy ireo mpiservy Lamesa no mifidy azy ho olomasina mpiaro, toa izany koa ireo tanora Belges.

Jacques Alberione, Olontsambatra

Mpanorina ny fikambanan'ny Masera Filles de Saint Paul izy. Teraka ny 4 aprily 1884 tao San Lorenzo de Fassano. Teo amin'ny fahenina ambin'ny folo taonany izy, raha nitsaoka ny Sakramenta Masina ny alin'ny 31 desambra, tao amin'ny katedraly tao Alba, dia henony nisy bitsika tao am-pony, nilaza ny tsy maintsy hanaovany ezaka ho an'ny Tompo sy ny olon'ny taonjato vaovao. Ny taona 1907 izy no nohamasinina ho pretra, ary voatendry hitantana am-panahy ireo mpiofana ho pretra tao Alba. Tamin'ny taona 1914, nanokatra sekoly momba ny asa printy nantsoina hoe "Piccolo operaio", na adika amin'ny teny malagasy hoe "mpiasa madinika", anarana niantsoana voalohany ny Société Saint Paul, i Don Alberione. Herintaona tao aorian'izay, ny 15 jona no nanorenany ny fikambanan-dry masera Filles de Saint Paul, niaraka tamin'i Teresa Merlo. Maro ny fikambanana naoriny, toy ny Union Coopérateur Bonne Presse, ny Sœurs Disciples du Divin Maître, ny Institut Marie de l'Annonciation sy ny Masina Gabriel Arkanjely, ny Institut Jésus Prêtre ary ny Institut Sainte Famille. Nandray anjara tamin'ny Kônsily Vatikana Faharoa i Don Alberione. Ny 26 novambra 1971 izy no nodimandry ary nasandratry ny papa Jean Paul II ho olontsambatra, ny taona 2003.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...