Raha vao voatendry ny lehibem-pikambanan'ny relijiozy iray dia tsy tokony hampiasa ny fahefana, izay omena azy, araka izay tiany hatao, fa ampiasainy ho fitaovana hanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra izany. Ny torolalana harahina dia mifototra amin'ny Lalam-panorenan'ny fikambanana, ny fanomezam-pahasoavana ary ny fivoriam-be. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Mitaky fandaminana sy fifampifehezana tahaka ny amin'ny fiaraha-monina rehetra ny fiainan-drelijiozy, mila mpandrindra, mitaky fanekena. Ho an'ny relijiozy, ny fanekena dia sitrapon'Andriamanitra ; hoy i Md Paoly : " aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana ara-panjakàna...". Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Antitranterin'ny Konsily Vatikana-II ny fifanankalozan-kevitra eo amin'ny lehibe syny mpikambana entiny. Raha mangataka ny hevitry ny relijiozy iray ny lehibe, dia tsy maintsy milaza aminy ny mety ho olana. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Amim-pinoana no tokony hanekena ny lehibe mpitarika, sy tokony hanampian'ny relijiozy azy hikaroka ny sitrapon'Andriamanitra. Adidin'ny tsirairay ny manaiky ary manatsara ny iraka ankinina aminy, relijiozy matotra sy tompon'andraikitra ianao amin'izany. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Eo ampanaovana adidy dia tsy ilaozan'ny maha-izy azy ny lehibem-pikambanana ; entiny manatanteraka ny andraikiny ny fanomezam-pahasoavana sy ny kilemany, ny herim-panahiny sy ny halemeny, ny haren-tsainy sy ny fetram-pahalalany. Na ny Lehibe na ny mpikambana dia samy olombelona, manana fetrany, ka mety hampangirifiry sy hampijaly ny fanekena. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Tsy hoe ilaina fotsiny ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra fa adidintsika rehetra. Samy manana ny anjara tandrify azy avy, noho izany dia samia manatontosa ny andraikiny. Manao ny adidy ary mahatoky an'Andriamanitra isika mba ho masina sy ho maro ireo mamaly ny antso. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Mba hampiroborobo ny antso ho pretra dia isan'ny takiana amin'ireo voaantso ireto : Mampianatra ny olona hidera ny Ray, mamangy sy mikarakara ny marary, manampy ny reny misedra fiainana, fanomezana sakafo ny ankizy. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Rehefa any amin'ny Seminera dia anjaran'ny fivondronamben'ny eveka isam-paritra no manomana ny taranjam-pampianarana sy ny dingana hirosoana mba ho pretra araka izay lazain'ny Papa hoe olon'ny hafaliana. Tsapa fa maharitra ny taom-piofanana ary maharary antsika raha misy Seminarista manapa-kevitra tsy hanohy. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Ny eveka dia miantso ny vahoaka hanampy ireo pretra efa mamaly ny antso, no sady mijoro ho ray mpiahy. Manampy betsaka amin'izany ny vavaka iarahana amin'ny Masina Maria Renin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Manana adidy ny pretra efa eo amperinasa amin'ny alalan'ny fahatsorany manao ny asa pastoraly. Ny fifandraisany aman'olona sy ny fahaizany miara-miasa no misarika ny tanora, ny fijoroany ho zoky mpitantana. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Ny fikambanana masina na ny any an-tsekoly, na any am-piangonana dia antsoina hamoha ny antson'Andriamanitra ho pretra. Ny fampandraisana andraikitra any amin'ireny sehatra ireny no miteraka fahazarana ho an'ny tanora. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Araka ny fampianaran'ny fiangonana mahakasika ny fihofanana ho pretra dia samy manana andraikitra ny rehetra amin'ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra. Ny fianakaviana miserasera amin'ny fiainan'ny fiangonana no mamoha ny antso ho pretra. Ny fianankaviana entanin'ny finoana, fanantenana ary ny fitiavana no seminera voalohany hamoazana ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco