Alatsinainy 1 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 13-21

Alahady 31 jolay 2022 — Alahady fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Miambena ary mivonona ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoraran'i Masindahy Lioka 12, 13-21

Mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy ka izay fifamenoan'izay no mahatonga azy ireo hifanolotra fitiavana. Ny fanambadiana dia misy fototra ara-tsoratra masina : Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Tsy tsara raha irery ny lehilahy; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy. Jen2; 18. katesizy momba ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Masina ny fanambadiana fa tsy kilalao. Manana ny hajany ambony loatra ka mendrika, tsy natao hosihosena amin'ny tany. Hoy ny Soratra Masina hoe : Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian'ny mpivady, fa hoheloin'Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona. katesizy momba ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Ny fanambadiana dia lehilahy sy vehivavy mifanolotra fitia ka tsofin-drano eo anatrehan'Andriamanitra vao afaka miroso amin'ny asa-pahariana. Tsy tokony hatao andrakandrana ny fanambadiana. Ny fanambadiana dia tsy fitaovana hikarohana fahafinaretana fotsiny ihany ka noho izany dia ilàna fiomanana tsara. katesizy momba ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Raha vao miresaka ny "aina" dia ireto ny fanontaniana tonga ao an-tsaina : Avy aiza ny aina? Inona no famaritana ny hoe "aina"?. Mifototra amin'ireo fanontaniana ireo ny hahatsapana ny hasarobidin'ny aina, indrindra ny ain'olombelona ka mampiavaka azy amin'ny zava-manan'aina hafa rehetra. Ny "aina" dia tsy mbola nisy nahavita na iza na iza afa-tsy Andriamanitra irery ihany. katesizy momba ny hasarobidin'ny aina, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Maro ny azo hamaritana ny "aina" raha izao taon-jato diavintsika izao no jerena. Tsy tokony hadino amin'ny maha kristiana fa Andriamanitra Velona no manome ny "aina" raha tsy hiresaka afa-tsy izay voalazan'ny Baiboly isika. Ny "aina" dia miantomboka eo amin'ny fiforonany ka mahatonga azy ho olona na zava-manan'aina velona iray ary miafara amin'ny fahafatesana. katesizy momba ny hasarobidin'ny aina, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Ny olombelona dia miavaka noho ireto antony ireto : ny fananana fihetseham-po sy ny hafaliana lehibe raha misy aina vaovao teraka eto an-tany ; raha misy zavatra mampijaly ny aina dia mihetsi-po malahelo ary ory tokoa ny olona manoloana ireo namana voan'izany ; raha misy fahafatesana dia mahatsiaro malahelo ary maneho fisaonana mihitsy. katesizy momba ny hasarobidin'ny aina, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Tsy maintsy misy ny vavaka ho an'ny mpitondra fanjakàna ao anaty ny litorjia satria adidy no manery ny rehetra ny manaiky sy manome haja ny mpanam-pahefana, araka izay tokony hatao aminy, araka ny famendrehany, araka ny raharaha ataony. Manana adidy hitondra am-bavaka azy ny vahoaka mba hatontosany ny adidiny. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Raha manao asa na maka fanapahan-kevitra mifanohitra amin'ny toe-tsaina kristiana ireo mpitondra firenena isan-tsokajiny dia voadidin'ny feon'ny fiheritreretana handà sy hanohitra izany isika ka maneho hevitra amim-pamendrehana. Manana andraikitra mitondra fomba fijery sy fisainana mifototra amin'ny fiainan'ny kristiana ny rehetra, fiaraha-miasa amin'ny mpitondra fanjakàna. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Raha manao asa, mihataka ny lalan-tsain'ny fiangonana ny mpitondra sy izay nomena fahefana dia aoka ny olona tsy handà izay takian'ny soa iombonana amin'ny fomba tsy mitanila. Azon'ny olom-pirenena atao ny miaro ny zony sy ny mpiray tanindrazana azy amin'ny fanoherana ny fanararaotam-pahefana araka izay voafaritry ny lalana sy ny Evanjely. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Manana adidy ny mpino haneho hevitra, manoloana ireo fombam-pitantana, tsy ahitana ny taratry ny maha-kristiana, indrindra ny ara-moraly, izany hoe endrim-pitantanana "jadona" . Ny jadona dia : tsy refesimandidy. Ny tantara no nampianatra antsika ny hoe "jadona" satria ireo nahazo ny fitondrana na fahefana ary mampiasa ny jadona mba hifehezana ny tany sy ny firenena. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...