Miaka-bokatra ny Jeneraly Rabemanantsoa Robert amin'izao volana mey izao, na dia niara-nisedra olana tamin'ny tantsaha rehetra noho ny tsy fisian'ny rano teny an-tanimbary aza izy. "Ketsa saraka" no nampiasaina, izay izy rahateo no nikaroka azy.

Miara-manorina ny ho aviny sy ny maha olom-banona azy amin'ny ray aman-dreny ny zatovo ka ao an-tokantrano no tena hanefena izany. Ny andraikitry ny tanora manoloana ny maha zatovo azy dia ny fanajana ny ray aman-dreny, noho izy ireo fanomezana. Namana akaiky izy ireo ka hanokanana fotoana manokana hiarahana aminy, ary tsy andosirana mihitsy ny ray aman-dreny na dia mahasosotra ny zatovo aza ny ataony. Amin'izany dia ny zatovo mihitsy no mila miantso "Filankevi-pianakaviana" (Conseil de famille), ny teny sy ny fihetsika amin'izany kosa ezahana mba ho amim-panajana hatrany.

Ao anatin' ny fo no tena mandrindra ny fiainana ary mibaiko misimisy kokoa ny fitiavana. (05-05-2021)

Rehefa miresaka ny hoe toe-tsaina fototra entina miatrika ny fiainana dia matetika izay mahakasika ny tena manokana hatrany no tonga ao an-tsaina. Tsy azo lazaina ho mivelatra tanteraka anefa ny olona iray, na atao hoe mahomby amin'ny lafiny rehetra aza, nefa manana disadisa eo amin'ny fiaraha-monina. Mitaky finiavana sy fandavan-tena lehibe, noho izany, ny ezaka hahazo ny hafa, izay tsy maintsy fantarina amin'ireo lafiny dimy maha olona. Dingana voalohany amin'izany ezaka izany ny fifehezan-tena tsy hitsaratsara foana.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...