Ny fanaovana fety voalanjalanja dia mitondra fahasalamana. Anatin'ny fety dia mahazo ny anjarany daholo ny vatana sy ny saina : hafaliana sy sakafo. Ny sakafo tokony hohanina amin'izao fety izao hisorohana ny aretina dia sakafo voalanjalanja, sakafo natoraly. Mila mitandrina  amin'ny sakafo hohanina ireo manana olana amin'ny : tosi-dra, diabetika, ireo manana olan'ny fo sy ny voa, ireo olona matavy loatra, ireo tsy mahazaka mihinana sakafo isan-karazany. Ezahana mba toerana madio sy mahazo rivotra tsara ny toerana hisakafoana. 

Tontosa ny taom-pikatrohana 2022, tsara ny hanaovana jery todika mikasika ireo asa vita. "Fantarina sy iainana ny soatoavina kristiana" ny foto-kevi-dehibe nampitaina tamin'ity taona 2022 ity ary "Maka lesona mankany amin'ny ho avy tsara kokoa" ny foto-kevi-dehibe amin'ny taona vaovao 2023. Fandaharana "miaina sy mitia" niarahana niasa tamin'ny Centre Arrupe, notontosaina teto amin'ny radio Don Bosco.

Isany mahatsara ny fifandraisan'ny mpianakavy ny fifankaherezana. Ny teny famporisihana dia singa azo kilasiana ho zava-dehibe indrindra eo amin'ny mpivady sy/na ny mpianaka. Ny fifankaherezana sy ny famporisihana dia fanalahidin'ny fahombiazana sy fanatsarana ny fifandrisana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny Jeneraly Ramakavelo Désiré.

Maro ny olona manao fanamarihana fa mbola tsy tafarina ny toe-tsaina ho an'ny Malagasy ary izay no antony tsy mahatomombana ny fandrosoana. Anjara biriky no nentin'ny fandaharana mba hanabeazana ny mpiara-monina fa mbola betsaka ny adidy sy andraikitra miandry ny rehetra. Mila resy lahatra ny olona iray maniry ny hanarina toe-tsaina, satria sarotra ny miala amin'ny fahazarana. Tsara raha mbola kely ny ankizy no efa zarina sahady amin'ny lalana mahitsy. Rehefa lehibe ny olona dia ny fiainana sy ny fiaraha-monina no manitsy azy, anefa mety ho tara loatra izany...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...