Ny tsirairay dia tompon'andraikitra amin'ny fandresena ny SIDA, hatramin'ny taona 2030. I Madagasikara dia isan'ireo firenena nanaiky ny hiady amin'ny aretina VIH/SIDA, ary misy ireo dingana tratrarina hatramin'ny taona 2030. Ny daty ny 1 desambra dia andro iraisam-pirenena natokana hanamarihana ny ady amin'ny SIDA, Ankino amin'ny fiaraha-monina ny fitarihana ny ady amin'ny VIH/SIDA. Io andro io dia hanentanana ny olona momba ny ady amin'ny SIDA, fisintonana ny sain'ireo tompon'andraikitra mikasika ny dinga efa vita manoloana ny ady, fanohanana ireo olona efa mitondra ny tsimok'aretina sy fahatsiarovana ireo efa matin'ny aretina...

Fantaro hoe : inona no safidinao eo amin'ny fiainana. Ny safidinao no hitondra fiadanam-po, fiadanan-tsaina, fiadanam-panahy. Ny safidy no mampivelatra sy mampisondrotra ary manatsara ny fiainana ho avy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Misy ny zo fototra 10 ananan'ny zanaka, takian'ny ankizy amin'ny mpanabe, ny ray aman-dreny ary ny fiaraha-monina. Ao anatin'ny 16 andro hiadiana amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha lahy sy maha vavy isika, nanomboka tamin'ny 25 nôvambra teo. Mpiray tsikombatomba ny olona mahita herisetra anefa tsy mitoroka. Santionany amin'ny zo ireto : Zo hanana ankohonana izay hoe ray sy  reny niteraka ary ara-dalana, zo hanana anarana raha vao teraka izay hoe hanana kôpia, zo hitafy mifanaraka amin'ny toetr'andro... 

Ny Fisehon'ny Pesta : mafana hoditra, marary andoha, reraka tampoka ny marary. Misy karazany roa ny pesta : pesta atoditarimo sy pesta aretitratra. Fambara amin'ny pesta atoditarimo : mivonto ny helika, mivonto ny tenda, mivonto ny foto-pe. Fambara pesta aretitratra : rehoka misy piti-dra, mikohoka, marary ny tratra. Maimaimpoana ny fitsaboana ny pesta eny amin'ny tobim-pahasalamana ka raha vao misy tranga mampiahiahay dia tsara hatrany ny manatona ny toeram-pitsaboana. Ny pesta dia mamono ao anatin'ny andro vitsy raha vao tsy voatsabo ara-potoana. Amin'ny fotoanan'ny fisian'ny doro-tanety sy ny maitso ahitra ary ny fivangongon'ny fako no tena mampirongatra ny pesta noho ny voalavo miakatra an-tanety sy miditra an-trano... 

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...