Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo. Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamîna ny tranony. Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona. Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin’ny fotoany? Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany; lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitantana ny fananany rehetra izy. Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy, ka mikapoka ny mpanompo namany izy sy miara-mihinana sy misotro amin’ny mpimamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hotapahiny roa izy ary haraikiny ho any amin’ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...