Tsara tsipihina fa tsy miresaka momba ny pretra izay fantatsika kristianina ankehitriny loatra ny Testamenta Vaovao fa mbola ireo mpisorona araka ny fomba jody ihany no resahina ; i Jesoa Kristy dia sady anisan'ireo Mpisorona araka ny fomba jody no araka ny fomba kristianina. Tany am-piandohana dia mbola nandray anjara tamin'ny "culte" jody ny kristianina... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
5 marsa 2025 — Alarobia fanosorana Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)
04 marsa — I Masindahy Casimir dia teraka ny taona 1458 tao Cracovie. Faharoan-janaky ny mpanjakan'i Pologne izy. Ny taona 1479 ka hatramin'ny 1481 dia nitantana an'i Pologne izy nandrita ny rainy nipetraka tany Lituanie.
Ny fisoronana dia nifandovana teo amin'ny tantaran'i Israely : rehefa antitra ny mpisorona iray dia mametra-tanana amin'izay taranany handimby azy izy. Toy izany no hita tamin'ny nataon'i Isaaka tamin'i Jakôba izay tokony ho i Esao zokiny no nomena azy. Io fomba io no mbola tanana ankehitriny amin'ny alalan'ny fetrahan-tanana amin'ny sakramentan'ny filaharana... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco