Maria dia nantsoin'Andriamanitra tamin'ny anarany, manokana ny antso, samy manana ny tantarany ny tsirairay manoloana ny antson'Andriamanitra. Manampy antsika hamantatra ny antson'Andriamanitra ny fanomezana lanja ny anarana toy ny anarana amin'ny batemy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Maria virijina dia niheritreritra mangina, niainga tamin'ny fomba fijery azo refesina : ara-tsaina, ara-panahy, ara-batana. Mety hisy fisalasalana isika fa Andriamanitra dia manome toky sy antoka, ohatra ny niainan'i Maria " Aza matahotra ry Maria". Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ilàna fandinihina tsara ny mety ho hevitry ny antso ho an'ny olona iray. Maka bahana ara-potoana tsara ary atao feno ny fiomanana. Katesizy momba ny Fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Fanomanana an'i Maria virijiny ny votoatiny hafatra noentin'ny anjely. Taitra ihany Maria virijiny ary mety nisy tahotra tao anatiny tamin'ny faharenesana ny hafatra. Nangina ary nieritreritra tao am-pony izy nandalina ny momba azy sy izay nolazain'ny anjely. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...