Antso ho amin'ny fahamasinana no antso tokana iantson'Andriamanitra ny olona rehetra, koa na iza na iza, dia nantsoina ho masina. Anjaran'ny tsirairay ny manamasina ny tenany ao amin'ny fiangonana amin'ny alalan'ny vavaka, ny fahaizany mitia an'Andriamanitra sy ny namany. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Talata 23 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 23-26
22 aogositra — Ankalazaina amin’ity andro ity i Maria Mpanjakavavy. Mpanjakavavy i Masina Maria satria mitovy amin’ny zaniny izay Mpanjakan’izao tontolo izao.
Ny tena mampizotra antsika amin'ny lalan'ny fahamasinana dia ny fanekena hibebaka ka hanaraka izay rehetra natorin'i Kristy ao Evanjely, hiainana ny didim-pitiavana ary hanaiky hitondra ny hazofijaliny. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco