♦ Miisa fito ireo nandrotsaka antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho Ben'ny Tanàna ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Enin-dahy sy vavy tokana... ♦ Tsy isan'ireo hifaninana ary tsy hanohana kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra Ramatoa Rakotomnaga Rinah... ♦ Mbola tsy anio no hifarana ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo. Mitombo hatrany koa ireo faritra manao hetsika maneho tsy fahafaliana amin'ny tsy fisian-jiro sy rano...

♦ Entina amin'izao vaovao izao ny akon'ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana Ben'ny Tanàna, ho an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... ♦ Ny 89,32%-n'ny kaominina no manana kandidà, hoy ny tatitry ny CENI. Ny kandidà nirotsaka amin'ny tsy miankina no maro an'isa: miisa 1.542 izy ireo... ♦ Tra-tehaka ihany rehefa notadiavina tao anatin'ny telo taona, ny tompony sy kaomandan'ny sambo M/S Francia III, izay nahafaty mpandeha 88...

♦ Nanatitra ny antontan-taratasy amin'ny firotsahan-kofidiana teny amin'ny OVEC Isotry androany Andriamatoa Tahina Razafinjoelina, mitarika ny lisitra Tia Tanindrazana amin'ny fifidianana Ben'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Hisitraka tohana amin'ny lafiny fahasalamana sy ny fampianarana ary tohana amin'ny fitsinjovana ny voina ateraky ny loza voajanahary ireo EPP anatin'ny boriborin-tany miisa telo ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Mankalaza ny faha-35 taona nijoroany ny Vovonam-pikambanana Fampivoarana ny Tantsaha na ny FIFATA. Maherin'ny 3.000 isa ireo tantsaha mivondrona ao aminy mihaona sy mifanakalo traik'efa ao Antsirabe...

♦ Hifarana anio amin'ny 5 ora hariva ny fahafahan'ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina manatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana any amin'ny OVEC manerana ny nosy. Manodidina ny 30.000 ireo olona mirotsaka ho fidiana anatin'ny lisitra 2.900 isa... ♦ Mitera-doza ho an'ny fiaraha-monina ny vaovao tsy marina tonga any aminy. Mila mitandrina ny mpampahalala vaovao amin'izao anatin'ny zotram-pifidianana izao hoy ny vovonana VaovaoCheck... ♦ Nidina ifotony teny Andralanitra nijery ny zava-misy ny PDS ao Antananarivo-renivohitra Ramanantsoa Harilala. Manomana tetik'asa handrindrana ny fako ao Andralanitra ny mpitondra fanjakàna sy ny kaominina...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...