♦ Hifarana amin'ny alahady 27 oktobra ho avy izao, amin'ny alalan'ny Sorona Masina hotarihan'i Papa François ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera, ny Synaodin'ny Eveka, andiany faha-16... Nihaona sy niresaka tamin'i Papa François ny Evekan'Antsirabe mandray anjara amin'izao sinaody any Roma izao, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Manana ambasadaoro vaovao eto Madagasikara i Afrika-Atsimo. Nanolotra ny taratasy manendry azy tamin'ny filohan'ny Repoblika Malagasy Andriamatoa Khazamula Lawrence Chabane... ♦ Misedra olana ireo varira ao Farafangana. Miantso ny Fanjakàna hijery akaiky ny zava-misy ny solombavambahoaka voafidy tao amin'ity distrika ity sy ny fikambanana varira...

♦ Hisitraka fanampiana hatrany amin'ny 250 tapitrisa dôlara ny fianakaviana marefo eto Madagasikara hatramin'ny taona 2027. Tetik'asan'ny ministeran'ny mponina tanterahan'ny FID. Mamatsy vola ny banky iraisam-pirenena... ♦ Nanentana ny olom-pirenena hanefa ny adidiny amin'ny fifidianana kaominaly amin'ny 11 desambra izao Andriamatoa Tojo Ravalomanana kandidà ben'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Hihena tsy toa ny isan-taona ny vokatra letchis any amin'ny Faritra Atsinanana amin'ity taona ity hoy ny mpamokatra. Hitombo ny vidiny eo amin'ny tsena, mangataka ny hampiakarana ny vidim-bokatra ireo tantsaha... ♦ Mitohy ny herisetra any Haïti na dia efa mijoro aza ny fitondrana tetezamita...

♦ Tokantrano maherin'ny 1.100.000 eto Madagasikara no hisitraka ny fandaharan'asa haraton'aina FSR... ♦ Hirotsaka an-tsehatra amin'ny andraikitra nankinina taminy avy hatrany ireo mpanara-mason'ny SAFIDY, nahavita fiofanana teto an-drenivohitra... ♦ Trano miisa 400 no kila forehitra, ary olona miisa 700 no tsy manan-kialofana any Ankazomborona, Distrikan'i Soalala...

♦ Sakana ho an'ny ady atao amin'ny kolikoly indrindra ho an'ireo olona ambony ny fisian'ilay fakana fahazoan-dalàna manokana mialoha ny hanaovana fanadihadihana sy fanejehana ara-pitsarana hoy ny filohan'ny komity mitandro ny fahitsiana na ny CSI... ♦ Avotra teo am-pelan-tanan'ireo naka ankeriny azy i Zafindrafaly, zaza varira 8 taona, tany amin'ny distrikan'i Vaingandrano, ahiana ny ho avin'ireo zaza varira 64 tezaina ao amin'ny sekolin'ny jamba ao Farafangana noho ny olana tsy fampiana vatsy hiatohana azy ireo... ♦ Tsy mbola naharaisam-baovao ny momba ilay fiaramanidina kely ULM sy ireo teratany Frantsay miisa roa mpanamory azy rehefa niala tany Nosy be saika hiazo an'i Dzaoudzi, ny alahady teo...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...