• Mbola mampisalasala ny fampiharana ny lalana vaovao mifehy ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katolika... • Mijoro manohitra ny fikasan'ny orinasa iray hitrandraka “Terres rares” any amin'ny tangoronosy Ampasindava, Distrikan'Ambanja, ireo vondron'olona ifotony sy ny fiarahamonim-pirenena... • Mpilalao vaovao miisa dimy no nantsoin'ny mpanazatra Corentin Martins, handrafitra ny Ekipam-pirenena Malagasy Barea...

• Mitaky ny fampiatoana ny fitrandrahana “terres rares” kasain'ny orinasa Harena Ressources hatao any Ampasindava, ny vondron'olona ifotony sy ny fiarahamonim-pirenena any Ambanja... • Misalasala amin'ny fampiharana ny lalana vaovao mifehy ny fanabeazana eto Madagasikara, ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katolika eto Madagasikara... • Mpilalao vaovao miisa dimy no nantsoin'ny mpanazatra Corentin Martins, handrafitra ny Barea, hiatrika ny fanintsanana Mondial 2026...

• Tombanana hiditra an'i Madagasikara ny zoma izao, ilay rivodoza Jude. Mbola any Mozambika izy ankehitriny, ka hiverina an-dranomasina anio alina na rahampitso maraina... • Hihemotra amin'ny manaraka ny fandinihana ny SMGD eo anivon'ny Filankevitry ny Tananan'Antananarivo... • Mpandraharaha Malagasy sy vahiny an-jatony no hihaona any Genève, ao anatin'ilay hetsika “Forum Économique International”. Hetsika ara-toekarena momba an'i Madagasikara izy io, handrisihana ireo mpampiasa vola, ho avy eto amintsika...

• Laharana faha-83 i Madagasikara amin'ny fampiharana ny demokrasia, araka ny fanadihadiana nataon'ny Economist Intelligent Unit. Tsy niala lavitra amin'ny naoty 5/10 isika hatramin'izay... • Manahy ny fandrodanana ny tranony ato anatin'ny 48 ora ireo mponin'i Ivato, voakasiky ny fanitaran-dalana. Nanomboka androany ny asa fanotofana lalana mihazo an'i Ivato, hoy izy ireo omaly... • Anio no hivoaka ny lisitra mirakitra ireo mpilalao handrafitra ny Barea, hiatrika ny fifanintsanana Mondial 2026...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...