♦ Nampahafantarina androany ny fisian'ny fanafody voka-pikarohan'ny Malagasy mpikaroka hitsaboana ireo soritr'aretina mitranga ho an'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Tokony hanatona ny Kaominina ny lehiben'ny Fokontany mbola tsy naharay ny fanampiana avy amin'ny Fanjakana ho an'ireo sokajin'olona samihafa tokony hahazo izany hoy ny Ministry ny Mponina Naharimamy Irmah...

♦ Miisa efatra ireo avy any amin'ny faritra hafa ivelan'Analamanga mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Manana paik'ady iadiana amin'ny Coronavirus ny antoko TIM. Nanamafy ny fahavononany hifanolo-tanana amin'ny Fanjakana amin'izao ady atrehan'ny firenena izao Andriamatoa Marc Ravalomanana...

♦ Tsy nitombo fa mbola 43 hatramin'ny mitatao vovonana teo ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Nampitomboina ho 240.000 ny isan'ireo olona misitraka ilay fanampiana avy amin'ny fanjakana. Hahazo izany koa ireo olona tena sahirana tsy manana fidiram-bola isaky ny kartie...

♦ Nanova paik'ady hizarana ireo fanomezana ho an'ny fianakaviana marefo sy ny zokiolona ny fitondram-panjakana. Niverina niasa amin'ny maha minisitry ny mponina azy Ramatoa Maharamamy Irmah... ♦ Hakatona avokoa rahampitso ny tsena lehibe any Antsirabe dia ny tsenan'Asabotsy sy Antsenakely mba hahafahana mandraraka fanafody. Asa hatao hisorohana ny fiparitahan'ny tsimok'aretina Coronavirus ao an-drenivohitr'i Vakinankaratra...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...