♦ Nivoaka ny fonja ny mpanao gazety Rahelisoa Arphine talen'ny famoahana ao amin'ny gazety Valosoa Vaovao... ♦ Miantso an'ireo kristianina sy ny mpitondra Fiangonana amin'ny faritra telo izay misy ny olona mitondra ny Coronavirus ny Filohan'ny FFKM mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana mba tsy hiparitahan'ny valan'aretina... ♦ Mitaraina noho ny fisian'ireo Taxi-Moto sy ny fiara manao asan'ny Taxi ny filohan'ny FTAR...
♦ Hiaka-dapa indray anio ny parlemanta malagasy. Tsy eny Tsimbazaza fa etsy amin'ny Foibe fandraisana fivorian iraisam-pirenena no hanaovana ny lanonam-panokafana ho an'ny Solombavam-bahoaka... ♦ Mijanona ho 151 ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara tamin'ireo fitiliana natao... ♦ Nampiato ny fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra sy ny manodidina ireny ny vondron'ny mpitatitra UCTU sy ny UCTS nanomboka androany...
♦ Tsy nisy olona nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus androany raha ny vokatry ny fitiliana nataon'ny Institut Pasteur... ♦ Nihamafy nanomboka androany ny sazy nampiharina ho an'ireo tratra tsy mitondra aro-tava mandeha eny an-dalambe... ♦ Misy fiaramanidina iray sy sambo miisa telo, miaramila 200 efa hetsehin'ny Tafika Malagasy amin'ny fiarovana ny sisin-tanin'i Madagasikara...
♦ Namantatra ny zava-misy momba ny tazo mahery Dengue mahazo ny olona any Mahajanga ny iraky ny fitondrana foibe... ♦ Mirongatra ihany koa ny tazomoka any amin'ny distrikan'Iakora faritr'Ihorombe... ♦ Nanamarika ny ny 03 mey, Andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny mpanao gazety tany Bongolava...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco