♦ Miisa 23 ny olona mararin'ny Covid-19 no sitrana eto Madagasikara. Malagasy roa indray anefa no voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina... ♦ Mila tsy aharaka ny famatsiana sakafo ho an'ireo olona an'arivony matory an-dalana ao an-drenivohitra... ♦ Nihaona tamin'ny mpitantana ny orinasa JB omaly ny mpanara-mason'ny asa sy ny Tale jeneraly ao amin'ny Ministeran'ny Asa manoloana ny tranga fampiatoana mpiasa antselika...

♦ Mitohy hatrany ny fikarohana ireo olona mety ho nifandray tamin'ireny olona efa fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 ireny... ♦ Mpatory an-dalana an'arivony no vatsian'ny Kaominina Antananarivo sakafo in-telo isan'andro amin'izao fotoanan'ny fihibohana izao... ♦ Tsy nanadino ireo sokajin'olona marefo sy tsy misy mpiahy amin'izao fihanaky ny valan'aretina Coronavirus izo ny CNFM...

♦ Miantso ny herivelona sy ny mpitondra fanjakana hifanohana sy hitandro ny firaisan-kina ny FFKM mba hampirindra ny fiainan'ny vahoaka Malagasy... ♦ Nangiana tsy toa ny isan-taona ny alatsinainin'ny Paka tamin'ny faritra samihafa... ♦ Naato amin'ny asany noho ny antony ara-eknika ny mpiasa mikarama isan'andro miisa 1200 tao amin'ny orinasa iray mpanao sakafo...

♦ Herinandro fahefatra ampiharana ny hamehana ara-pahasalamana ity herinandro vaovao ity. Miantso ny mponina any amin'ireo faritra ampiharana ny fhibohana ny mpitondra tenin'ny CCOC ety Ivato mba hanaja hatrany ny fepetra ampiharina... ♦ Nankalaza ny Paka tamin'ny alalan'ny fanarahana ny fotoam-bavaka tany an-tokantrano ny kristianina teto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...