♦ Efa mirehatra mena avokoa ireo tondro rehetra maneho ny tsy fahombiazan'ny fitantanan'ny mpitondra sy ny fahantran'ny vahoaka Malagasy hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Voaresaka tamin'ny fihaonana teo amin'ny filoha Malagasy sy ny delegasiôn'ny tahirim-bola iraisam-pirenena ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy sy ny fanavaozana ny satan'ny orinasa jirama... ♦ Eken'ny kaominina Antananarivo renivohitra ny hiasan'ny taxi-moto ho fitaovam-pitanterana ara-dalàna, hijery miaraka ny fomba hametrahana ny rafitra ho azy ireo ny kaominina sy ireo chef de piste...
♦ Nankatoavin'ny governemanta ny tolo-kevitry ny CENI ny hanaovana ny fifidianana Loholona amin'ny faha-11 ny volana desambra ho avy izao... ♦ Hikarakara varavarana misokatra ny zoma sy sabotsy izao ny Faculté toe-karena, fitantanana, ary ny fiaraha-monina (EGS) eny amin'ny Université Ankatso... ♦ Ho foana afaka volana maromaro ny fahatapahan-jiro lavareny (délestage) any amin'ny Distrika Vohimpeno, Faritra Fito-Vinany, ity Distrika ity izay isany nisitraka ilay fandaharan'asa fametrahana Parc solaire... ♦ Praiministra fahafito nandritra ny fitondran'i Emmanuel Macron nanomboka ny volana mey 2017 ny praiministra Sébastien Lecornu...
• Hahazo fitaovam-pianarana maimaim-poana avokoa ny mpianatra maherin'ny iray tapitrisa eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, androany teny amin'ny EPP Ambatobe... • Mbola mahaliana ireo mpianatra ny fanarahana ny fampianarana eny amin'ny oniversitem-panjakana. Maro ireo tanora mandray anjara amin'ny fitsapam-pahaizana eny amin'ny anjerimanontolo... • Nanomboka androany ary haharitra efatra andro, eny amin'ny Motel Anosy, ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpampiofana eo anivon'ny sampan-draharaha mpanara-maso ny asa...
♦ Nitondra fanazavàna ny teo anivon'ny CENI momba ny datin'ny 11 desambra izay nambaran'ny HCC fa azo anaovana ny fifidianana Loholona. Ny Governemanta ihany anefa no mamoaka ny fankatoavana hoy ity Vaomiera mpikarakara ny fifidianana ity... ♦ Nalefa hotsaboina atsy Maurice ny iray amin'ireo olona miiisa 7, sisa velona tamin'ilay raharaha fanapoizinana teny Ambohimalaza. Niainga omaly tety Ivato ny fiaramanidina nitondra azy... ♦ Tovovavy iray miasa amin'ny orinasa afak'haba eto Antananarivo no afa-jaza kambana, noho ny harerahana amin'ny asany. Nitaraina momba ny nahazo azy amin'ny sehatry ny asa izao ity mpiasa iray ity...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco