♦ Anio no hahafantarana ny valin-tenin'ny eo anivon'ny OMC eto amin'ny Faritra Analamanga, ny amin'ny fanomezan-dalana ireo solombavambahoaka TIM hanao tatitra amin'ny vahoaka, rahampitso sabotsy... ♦ Mbola hihamafy ny rotsak'orana anio amin'ny ankapobeny manerana ny nosy, araka ny nambaran'ny teo anivon'ny Météo. Ho mafy kokoa anefa izany ho an'ny Faritra Melaky sy Boeny...

♦ Namerina nampahafantatra androany ireo solombavambahoaka TIM fa hakisaka eny amin'ny Magro Tanjombato ny tatitra amin'ny vahoaka saika hataon'izy ireo eny Soamandrakizay. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny Prefektioran'ny Pôlisy Antananarivo... ♦ Nivadika ho andro ratsy ilay tangoron-drahona naraha-maso tao amin'ny Lakandranon'i Môzambika. Anio alina izy no hanatona ny maron-tsiraky ny faritr'i Melaky, ka mety ho lasa "dépression tropicale"...

♦ Tsy misy afatsy ny fifampidinihana ihany hoy ny komity Miaro ny Soa Iombonana ny famahàna ny toe-draharaha politika misy ankehitriny... ♦ Nitondra voka-tsoa tamin'ny fanatsaràna ny fari-piainan'ny tantsaha ny fametrahana ny rafitra nisahana ny tahiry ifanohanana teny Ifotony hoy ny filoha nasiônalin'ny FIFATA... ♦ Natao tany amin'ny faritr'i Vakinakaratra ny atrik'asa momba ny tany manana sata manokana iaraha-mitantana...

♦ Tsy hanome alalana ny hetsika politika ataon'ny solombavambahoaka Tim eny Soamandrakizay ny Prefet Antananarivo. Tsy mihemotra fa mitana ny heviny ny mpanohitra... ♦ Nanolotra fotodrafitr'asa fitehirizana hazan-drano ho an'ny FMMA ny vadin'ny filoham-pirenena... ♦ Horaisin'ny Fanjakàna an-tanana ny fandrindrana sy ny fandaminana ny voka-bary miala amin'ny tantsaha mandra-pahatonga any amin'ny mpanjifa... 

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...