♦ Tsy miova ny datin'ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC, hoy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany. Mbola mila roa volana sy tapany hamitana ny taom-pianarana kosa ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Nanapa-kevitra ny hampiato ny fitokonany manomboka rahampitso ireo mpiasa sy mpandraharaha eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo...
♦ Miroso amin'ny fampihenana ny vidin-jiro eto Madagasikara ny fitondram-panjakàna, amin'ny alalan'ny fampiasàna angovo azo havaozina. Hanomboka amin'ny alatsinainy ho avy izao koa ny tetik'asa " Branchement Mora"... ♦ Mbola azo atao eny amin'ny masoivohon'ny BFM rehetra manerana ny nosy, hatramin'ny 30 jona izao ny fanakalozana ny vola nivoaka tamin'ny tamin'ny taona 2003 sy 2004... ♦ Manodidina ny 30.000 ny olona vita vaksinin'ny Covid-19 hatramin'izao ary mbola mitohy hatrany ny fanaovana ity andiany voalohany ity...
♦ Tsy afaka hankalaza ny fetin'ny Sakramenta Masina toa ny fanao isan-taona ao amin'ny Paroasy Mahamasina ny kristiana eto amin'ny diosezy Antananarivo amin'ny alahady izao... ♦ Kaominina Andranomavo, kaominina Soalala ary kaominina Belobaka isan'ny notsidihan'ny Filoham-pirenena... ♦ Nosokafana ofisaly androany ny toerana hanatanterahana ny fanaovam-baksiny hisorohana ny Covid-19, ho an'ny eo anivon'ny kaominina Antananarivo, ao amin'ny kianja Malacam-Antanimena...
♦ Misy lamina manokana ny fankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina amin'ny alahady ho avy izao, ho an'ny eto amin'ny diosezin'Antananarivo. Manazava ny tsara ho fantatra momba izany ny Arsevekan'Antananarivo... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina Covid-19, miisa 24 ny tranga vaovao tamin'ny fitilina 202 natao omaly. 122 kosa ireo sitrana ary roa ireo marary lavon'ny aretina, teto Analamanga avokoa izy ireo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco