♦ Andro farany mialoha ny hikatonan'i Mahajanga ny androany. Nataon'ireo kaoperativam-pitaterana lohalaharana ireo mpandeha tsy maintsy hamonjy fodiana, tonga teny Andohatapenaka... ♦ Niaiky ny UCTU fa tsy voahaja ny elanelana iray metatra any anaty Taxibe. Tsy mahomby mantsy ny fitondrana mpandeha efatra-efatra...

♦ Manomboka miditra amin'ny andiany faharoa amin'ny valan'aretina Covid-19 ny eto Madagasikara. Efa ahitàna ilay coronavirus nivoatra variant "Sud-Africain" eto amintsika... ♦ Misy ny milaza fa hanongana ny fitondrana ny katôlika, taorian'ny fanambarana nataon'ny K3F tany Fianarantsoa. Namaly izany ny Eveka Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Andro iraisam-pirenena ho an'ny Francophonie ny tamin'ny Sabotsy 20 marsa teo ary faha-51 taonan'ny OIF... 

♦ Miherina ny taona nidiran'ny Coronavirus teto Madagasikara, mifanome fotoana amin'ny vahoaka malagasy anio alina ny filoha Andry Rajoelina... ♦ Miangavy ny Filohan'ny Repoblika hanaja ny zon'ny tsirairay amin'ny fanefitra heveriny fa mifanentana ho amin'ny fitsaboana ny valan'aretina Coronavirus ny akademia malagasy... ♦ Amin'ny Alarobia ho avy izao ny fifidianana ireo ho solontenan'ny antenimiera roa tonta ho eo anivon'ny HCC... 

♦ Tsy resy lahatra amin'ny fiverenana amin'ny fihobohana indray ny ankamaroan'ireo olon-tsotra nanaovana fanadihadiana... ♦ Efa misy ireo sekoly mamita haingana ny fandaharam-pianarana ka nanafoana ny fialantsasatra amin'ny fetin'ny Paka noho ny fanahiana amin'ny fampiatoana ny fianarana vokatry ny firongatry ny Covid-19... ♦ Nahemotra amin'ny fotoana mbola tsy voafaritra indray ny hetsika saika entina hankalazana ny faha-45 taona ny Antoko AREMA...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...