♦ Ahitàna filaharam-ben'ireo manan-draharaha nanomboka omaly eny amin'ny fitsaràna Anosy, taorian'ny fiverenan'ny asa ao amin'ny sampana firaiketan-draharaha... ♦ Nankatoavin'ny HCC ho mifanaraka amin'ny Lalam-panorenana ilay tolo-pehin-kevitra momba ny fitsipika anatiny manokana ampiharina eo anivon'ny Antenimieram-pirenena... ♦ kajikajy politika sy fanitsakitsahana lalam-panorenana ny mbola nanolorana tolo-dalàna vaovao mifehy ny mpanohitra... 

♦ Tsy manaiky ny nanaovana herisetra ny namany ny Holafitry ny vadintany sy mpanao lavanty, hametraka fitoriana eny amin'y Fitsaràna izy ireo... ♦Ministeran'ny fanabeazam-pirenena: Miandry toromarika vao hanomboka ny adina ara-panatanjahantena ho an'ny fanadinana BEPC... ♦ Naneho ny tsy fahafaliany tamin'ny alalan'ny filanjàna sora-baventy ny mponina any Ampilambe kaominina Analavoka, manoloana ny fisiana milina mpitrandraka vato kristaly tsy ara-dalàna... 

♦ Hitory eny amin'ny fitsarana ny Holafitry ny Vaditany sy ny Mpanao lavanty eto Madagasikara, manoloana ny herisetra nandratrana ny naman'izy ireo. Nisy androany ny fanambarana nataon'izy ireo, mikasika ity raharaha ity... ♦ Efa mihena dia mihena ny isan'ireo tranga vaovao Coronavirus eto amintsika. 63 no isan'ireo voamarina fa mitondra izany, raha ny tarehimarika nivoaka androany. Nisy olona 8 indray anefa matin'ity valan'aretina ity...

♦ Nanazava ny fizaràna asa eo amin'ny Filohan'ny repoblika sy ny Praiministra, ny lehiben'ny governemanta  Ntsay Christian, tsy misy olona ny fifandraisana eo amin'izy ireo... ♦ Nody mandry teo amin'ny faha-60 taonany ny Radavidson Andriamparany B, Ministra teo aloha nandritra ny fitondrana Ravalomanana... ♦ Ho tonga ara-potoana eny amin'ireo ivon-teoram-panadinana manerana ny nosy ny taratasim-panadinana rehetra ho an'ny CEPE sy ny BEPC... 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...