• Tsy handray anjara amin'ny fifidianana Loholona hotanterahana ny alakamisy 11 desambra 2025 ny mpanohitra. Fifidianana tsy ara-dalana no kasaina hatao, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame, androany... • Nandresy tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanana tao Betroka Ambonivohitra ny kandidan'ny GJMP. Tsy lany indray ny Ben'ny Tanana IRMAR, izay efa nitondra ny Kaominina, araka ny didy nivoaka ny 5 septambra 2025... • Mandray fiofanana avy amin'ny Federasiona ho an'ireo mpitsara Basketball isika eto Madagasikara. Tanora mpitsara avy amina firenena 11 aty Afrika no miatrika izany, nanomboka androany...

♦ Mampametra-panontaniana ny lanjan'ny didim-pitsaràna miainga amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena hoy ny ONG Tolotsoa, raha naneho hevitra amin'ny tsy fahavitan'ny fifidianana any amin'ireo kaominina nodidin'ny Fitsaràna... ♦ 200 isan'andro eo ireo mpianatra mandalo, maka hevitra sy mividy ny antontantaratasy ilaina amin'ny fianarana ho an'ny Fakiolten'ny teny aman-tsoratra sy ny siansa maha-olona (FLSH). Miankina amin'ny fitsapam-pahaizana ny handraisana ireo ao amin'ny taona voalohany... ♦ Sendika TRIADE : misy ireo antony nananganana ny sendika, hivondronan'ireo mpiasan'ny fahasalamam-bahoaka...

♦ Nampanantena indray ny mpitondra fa afaka roa herinandro ny fitanterana ireo fitaovana vaventy avy ao Toamasina ho famahana ny olan'ny JIRAMA... ♦ Efa tafapetraka ny taratasy fangatahana toerana kasain'ny saindika TRIADE hanaovana ny fivoriambe hijerena miaraka ny olan'ny mpiasan'ny fahasalamana... ♦ Nosafidian'i Père Pedro Opeka mpitantana ny toby Akamasoa hankalazana ny jobily faha-50 taona naha pretra azy ny any Vangaindrano... ♦ Voafonja maherin'ny 13.500 no tafatsoaka vokatry ny savorovoro any Népal. Herisetra mbola tsy nisy tao anatin'ny 20 taona no nitranga tany an-toerana...

• Miantso ny mpanao politika tsy ankanavaka, na mpanohitra, na mpiara-dia amin'ny fitondrana, ny antoko ALFA, mba tsy haneho hevitra mifono fihantsiana sy fandranitana ka ahiana hiteraka savorovoro eto amin'ny firenena... • Hiroso amin'ny fivoriambe ny sendika TRIADE amin'ny zoma 19 septambra ireo. Misy ireo tompon'andraikitra manao ny sakantsakana amin'izany... • Hikorontana ny famatsian-drano amin'ireo toerana maromaro ao Antananarivo Renivohitra, rahampitso alakamisy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...