♦ Andrasan'ny maro rahampitso ny mety ho fanazavàn'ny filoham-pirenena momba ny toe-draharaha eto amin'ny firenena. Eo ny mety hiresahana ilay raharaha "Apollo 21" fa indrindra koa ny momba ny vidin'ny PPN... ♦ Nampiaka-peo ireo tompon'andraikitra ambony, manoloana ny fitakian'ireo Parlemantera amin'ny tokony hanafoanana ny zandarimariam-pirenena... ♦ Miantso ny ministra mpiahy, manoloana ny raharaha any amin'ny faritra Ihorombe, mangataka ny hijerena ilay kariera Ambinda sy Ilakaka, ny olomboafidy avy any an-toerana... 

♦ Nolavin'ny fitsaràna ny fangatahan'ny sasany tamin'ireo olona voarohirohy amin'ny raharaha "Apollo 21"-ny hahazo fahafahana vonjimaika... ♦ Nolanian'ireo solombavambahoaka omaly ny volavolan-dalàna nankatoavana ilay fampidramam-bola mifandraika amin'ny tetik'asa fananganana orinasa na PAIFS... ♦ Nijoro eto Madagasikara ny ivontoerana hanaraha-maso ny fampiasàna akora simika na ny CHEMOBS. Efa miasa ihany koa ny Officier de Police Judiciaire mampanaja ny fepetra momba izany...

♦ Nolanian'ireo Solombavam-bahoaka ny volavolan-dalana izay nankatoavana ilay fampindramam-bola mifandraika amin'ny tetik'asa fanohanana ny fananganana orinasa sy ny sehatra ara-bola, sy ny volavolan-dalana momba ny fankatoavana ny fampindramam-bola mifandraika amin'ny famatsiana ny tetik'asa hampaharitra ny lalana eto Madagasikara... ♦ Tsy hampiova na inona na inona eto amin'ny firenena, na hiova repoblika impiry eo aza isika, raha tsy misy ny fitiavan-tanindrazana, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, Razafimahefa Herimanana...

♦ Andrasana amin'ity anio ity ny tohin'ilay raharaha Apollo 21. Efa misy tonga eny amin'ny fitsarana Anosy ireo olona voarohirohy... ♦ Manahy ny mety hahafahan'ireo "Trondro vaventy" voakasiika amin'ilay vatosoa valo kaontenera ny KMF/CNOE Fanabeazana Olom-pirenena... ♦ Tsy manana mpiadina ao amin'ny sokajy OSE kosa, ny sekoly katôlika manerana ny Nosy amin'ity Baccalauréat 2021 ity...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...