♦ Hanomoka anio alarobia 7 mey 2025 ny "conclave" ireo kardinal 133 hiatrika ny fifidianana izay ho Papa vaovao any Roma... ♦ Miezaka manakorontana saingy tsy misy mpihaino ny mpanohitra hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona Richard Ravalomanana nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan'ireo Loholona omaly teny Anosikely... ♦ Ny alarobia 21 mey ho avy izao no hiatrika fanadihadiana lalina momba ilay loza nahafatesan'olona miisa 4 teny By-Pass ilay teratany Sinoa voasaringotra tamin'iny loza iny, nalefa vonjimaika eny Tsiafahy izy mandra-piandry izany...
• Tsy nitsitsy fitenenana amin'ireo ambarany ho mpanakorontana ny firenena, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, Filohan'ny Antenimieran-doholona androany, nandritra ny lahateny fanokafana ny fivoriana ara-potoana ho an'ny Antenimieran-doholona... • Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, ilay teratany sinoa nitondra fiara sy nanao lozam-pifamoivoizana teny amin'ny By-Pass, ka nitarika fahafatesan'olona... • 12 volana tao aorian'ny nampiharana ny lalana mifehy ny serasera no tokony nijoroan'ny ANRCM. 5 taona aty aoriana anefa, mbola mikatso eo anivon'ny Governemanta izany...
♦ Nosokafana ny maraina teo ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Niantso ny Governemanta hijery sy hitady vahaolana amin'ny fiainan'ny Malagasy ankehitriny ny filohan'ity andrim-panjakàna ity... ♦ Mbola zara raha nidina ny vidim-bary eto Antananarivo amin'izao fararano izao. Mbola ahitàna 1.000Ariary ny iray kapoaka eny an-tsena. Miantso ny fampiharan-dalàna ireo mpiaro ny zon'ny mpanjifa... ♦ Mitaky ny hanaovana fanadihadiana mahaleontena momba ny raharaha kôlônely Patrick Rakotomamonjy ny Transparency International Initiative Madagascar...
♦ Hivory ara-potoana voalohany manomboka anio ireo Antenimiera mpanao lalàna. Fivoriana haharitra 60 andro, handinihina tolo-dalàna sy volavolan-dalàna samihafa... ♦ Mitaky fihaonana mivantana amin'ireo Ministra eo anivon'ny Governemanta ireo Solombavambahoaka mpanohitra amin'izao fivoriana ara-potoana izao... ♦ Efa navoaka ny fonja omaly ihany ny vadin'ny Kôlônely Patrick Rakotomamonjy, taorian'ilay toromarika nomen'ny filoham-pirenena. Fahefana voafaritry ny lalàna velona izany, hoy ny mpahay lalàna... ♦Nametra-pialàna ny Praiministra any Roumanie, taorian'ny naharesy ny antokony tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny alahady teo...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco