♦ Nidina an-dalambe nitaky ny zo hianatra ireo mpianatra ao amin'ny ENS Ampefiloha androany. Nilanja sora-baventy nanoloana ny Ministeran'ny Asa Vaventy ihany koa ireo mpandraharaha mpanao lalana tsy mbola nahazo ny volany hatramin'izao... ♦ Feno 130 taona ny Hôpitaly Miaramila eny Soaviandriana. Tsangambaton'ny taon-jobily ny fanavaozana sy ny fanitarana ny sampan-draharaha handraisana ny hamehana eny an-toerana, notokanan'ny Filoham-pirenena androany...

♦ Nisehoana fanafihana fandrobàna vola in-droa miantoana tany Andohanilakaka, tao anatin'ny iray andro... ♦ Miantso amin'ny tokony hanohizana indray ny fitsaràna momba ny famonoana ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara ireo mpitsara namany... ♦ Mitohy hatrany ny fitsirihana ireo fiara mpitatitra mialoha ny fiaingany eny amin'ny tobim-piantsoanana Fasan'ny karàna, hoy ny tompon'andraikitra... 

♦ Hitohy anio ny fihainoana ireo olona ahiahiana ho niray tsikombakomba tamin'ny tsy fahitàna an'i Eddy Maminirina tao amin'ny efitranon'ny hopitaly nitsaboana azy... ♦ Mbola hitohy hatramin'ny 19 oktobra 2021 izao ny fizarana karatra vaovao ho an'ireo mpandray fisotron-dronono... ♦ 5 volana taorian'ny fanafihan-dahalo nahery vaika nahazo ireo mponin'i Benonoky Midongy Atsimo. Valaketraka ary tsy nisy mpijery sy mpanohana intsony ireo mponina...

♦ Mamantatra ny tena isa marin'ireo mpandray fistroan-dronono ny minsitera mpiahy. Tankona ny hanao digitalisation ny fizarana fisotroan-dronono... ♦ Niakatra fampanoavana androany, ireo mpitsabo eo anivon'ny HJRA, izay voasaringotra tamin'ny raharahan'i Eddy Bois de Rose... ♦ Potika tanteraka ary tsy misy mpijery hatramin'izao ny fiainan'ny olona any Benonoky Midongy Atsimo, dimy volana tao aorian'ny fanafihan-dahalo mahery vaika nihatra tamin'izy ireo...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...