♦ Nanamafy ny fisian'ny fandosiran'ireo voafonja tao amin'ny fonjan'i Maindrivazo ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Atao mirazotra manomboka izao, ny tetik'asa hampandrosoana ny any atsimon'ny nosy... ♦ Fako 30 taonina isan'andro kosa no ariana eto Antananarivo sy ny manodidina...
♦ Nitokona androany, ireo mpiasa ao amin'ny valanjava-boaharin'i Tsimbazaza, manoloana ny feo miely fa homena hotantanin'ny tsy miankina io toerana io. Tsy naharesy lahatra azy ireo ny fanamabaran'ny Minisitera mpiahy... ♦ Hanaovana antso avo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny hain-tany sy ny kere any amin'ny tapany atsimon'ny nosy... ♦ Very 10 tapitrisa Ariary ny kitapom-bolan'ny kaominina Ampanotokana Ambohidratrimo, noho ny fikatonan'ny tsenan'omby tato anatin'ny telo herinandro...
♦ Tsy marina ny filazàna fa nafindra amin'ny vahiny na amin'ny fondation Axian ny fitantanana ny valan-java-boahary eny Tsimbazaza hoy ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa... ♦ Hatao lavanty ary ampanarahana ny fenitra ireo kaontenera misy sakafo tsy azo hohanina intsony sy praovandy, miisa 103 ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, isan'ny tapaka tamin'ny filankevitry ny ministra omaly izany... ♦ Manentana ny zatovo sy ny tanora hiaro ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny baolina kitra ny Orange Madagascar. Naompana amin'izay tanjona izay indray ny fifaninanana Orange kitra 2021, lalaovin'ny olona 7 ho an'ny zatovo 12 sy 13 taona...
♦ Voatohitohina ny fahafahan'ny mpanao gazety manao ny asany any amin'ny faritra Menabe. Voafetra ny fahafahan'izy ireo mahazo vaovao momba ny Covid-19... ♦ Miatrika zaikabe eto an-drenivohitra mandritra ny roa andro hifarana anio ny vondron'ny mpivaro-panafody matihanina eto Madagasikara. Dinihana mandritra izany ny olana iainan'izy ireo amin'izao fotoana izao... ♦ Nanomboka omaly ny fotoam-pihotazana letchi any amin'ny faritra atsinanan'ny nosy. Tombanana ho 16 000 taonina ny vokatra haondran'i Madagasikara amin'ity taona ity...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco