♦Miomana hamoaka didy fampisamborana iraisam-pirenena an'Andriamatoa Jean Ravelonarivo ny fitsaràna malagasy. Nitsoaka any Frantsa moa ity praiministra teo aloha ity taorian'ny fanamelohan'ny PAC azy... ♦ Misy tsy fanarahan-dalàna ny nankatoavana ilay volavolan-dalàna vaovao momba ny asa. Mitaky amin'ny ministeran'ny asa ny votoantin'izany ny Randrana sendikaly... ♦ Mihamafy ny fitokonan'ireo mpandraharahan'ny Oniversiten'i Toamasina, mitaky ny tambin-karamany tsy voaloa. Nakaton'izy ireo ny biraon'ny Ofisin'ny Bakalôrea Barikadimy, tapaka ny famoahana diplôma...

♦ Mbola 2% monja ny malagasy vita vaksiny fanefitry ny Covid-19 amin'izao. olona 1 000 000 no kendrena ho vita hatramin'ny faran'ny taona hoy ny Ministeran'ny fahasalamana... ♦ Mampanahy ny tsifanjarian-tsakafo mahery vaika sy mitarazoka any atsimon'ny nosy, hoy ny tatitry ny FAO, omaly. olona maherin'ny 1 000 000 no ianjadian'izany... ♦ Nampiato ny fampianarana eny anivon'ireo sekolim-panjakàna indray ireo mpampianatra FRAM any amin'ny faritra Vatovavy. Fitakiana tambikarama roa volana in-dimy tsy mbola voaloa...

♦ Mbola ny 2%-n'ny Malagasy hatreto no nanao ny vakisiny fanefitry ny Covid-19... ♦ Afa-po tamin'ny asa sy ny iraka notanterahany teo Madagasikara, Ramatoa Charlotte Faty Ndiaye. Tapitra ny fe-potoana niasan'ity solontena maharitry ny OMS teto Madagasikara ity...

♦ Miantso ny kristiana rehetra hijoro ho vavolombelona sy tsy hanaiky ny fanalan-jaza amin'ny endriny rehetra ny FJKM... ♦ Tsy afaka handray miaraka ireo mpianatra vao afaka bakalorea farany teo sy ireo efa nahavita fifaninanana hidirana amin'ny taona voalohany eny Ankatso ny FLSH... ♦ Olona iharan'ny fanolanana miisa 3 hatramin'ny 10,  no tonga manatona ny ivon-toerana Centre Vonjy eny Befelatanana...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...