♦ Nomelohin'ny Fitsarana, sazy asa an-terivozona 20 taona i Paul Rafanoharana, tamin'ny raharaha Apollo 21... ♦ Mankasitraka ny asa vitan'ny Governementa, amin'ny ankapobeny ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, raha namarana ny fotoam-pivoriana faharoa, tetsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Natomboka androany ny fanamarihana ny taona folon'ny famokarana tantanam-pianakaviana, ho antsika eto Madagasikara...

♦ Andrasana ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha Apollo 21. Efa ho adiny roa teo izao no nisintona ny Fitsarana eny Anosy... ♦ Miandrandra fihaonana mivantana amin'ny Filohan'ny Repoblika ny SECES, ary mangataka ny fialan'ny Praiminisitra, tao anatin'ny Kôngresy Nasiônaly izay nataony... ♦ Nitombo isa ny herisetra mahazo ny mpanao gazety. Arahanao eto ny fanambarana navoakan'ny Holafitry ny mpanao gazety...

♦ Nangingina ny fitokanana ny seranam-piaramanidina vaovao ety Ivato androany. Ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahan-tany no nitokana azy ; tsy nanatrika ny Filoham-pirenena... ♦ Tsy miombon-kevitra amin'ireo fepetra noraisin'ny fitondrana nandritra ny Filankevitry ny ministra, manoloana ny fiparitahan'ny Covid-19, ny Solombavam-bahoaka Rolland Ratsiraka. Tsy vahaolana ho an'ny firenena izany, hoy izy, manoloana ny zava-misy...

♦ Nandray fepetra tsy hiparitahan'ny valan'aretina Covid-19 amin'ireo faritra telo tena ahitàna olona maro marary ny fitondram-panjakàna. Miditra amin'ny vanim-potoana fahamailona ara-pahasalamana ireo faritra ireo manomboka izao... ♦ Nodimandry alina ny filohan'ny Filan-kevi-pitantanan'ny Malagasy Dairy Board, Haingotiana Razafindraibe... ♦ Navitrika amin'ny fandoavan-ketra amin'ny alalan'ny anjara hetrako sy e-hetraphone ny any avaratry ny nosy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...