♦ Maneho ny fiaraha-miory ho an'ny fitondram-panjakàna, ny faritra Analanjirofo, ny diôsezin'i Fenoarivo-atsinanana ary ny fianakavian'ireo niaram-boina tamin'ilay loza an-dranomasina nitranga ny alatsinainy teo ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Mbola manohana ny fitakiana efa nataon'ireo vovonam-pikambanana samihafa ny ny tranoben'ny tantsaha, amin'ny tokony handinihana ny lalàna mifehy ny fananan-tany... ♦ Hanangana antoko pôlitika vaovao Andriamatoa Paraina Auguste amin'ny taona ho avy... 

♦ Natokan'ny fitondram-panjakàna ho andro fisaonam-pirenena ny rahampitso alakamisy ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy nandeha tamin'ilay sambo Francia rendrindra tany Soanierana-Ivongo... ♦ Maneho ny fiaraha-miory ho an'ny fitondram-panjakàna, ny faritra Analanjirofo, ny diôsezin'i Fenoarivo atsinanana ary ny fianakavian'ireo niaram-boina tamin'ity loza an-dranomasina ity ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Tetik'asa PAPRIZ naharesy lahatra ireo tantsaha...

♦ Hanohy fitsaboana eto Antananarivo ny SEG sy ny mécanicien. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olona roa hafa... ♦ Tafakatra 36 ireo mpandeha hita faty tao anatin'ilay sambo Francia, rendrika tany Antsiraka... ♦ Nametraka fanambaram-pananana teny amin'ny HCC ireo mpikambana ao amin'ny CENI, androany...

♦ Velon'aina ny roa tamin'ireo mpandeha efatra tao amin'ilay angindimby nianjera tany amin'ny ranomasina manakaiky ny distrikan'i Fenoarivo Atsinanana omaly hariva. Anisan'ireo avotra ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zadarimariam-pirenena, rehefa nilomana adiny roa ambin'ny folo... ♦ Nampangaina ho mpanao pôlitika ny vovonam-pikambanan'ny tantsaha manohitra ilay volavolan-dalana mifehy ny fananan-tany. Mitondra fanazavana ny tompon'andraikitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...