♦ Andrasana ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha Apollo 21. Efa ho adiny roa teo izao no nisintona ny Fitsarana eny Anosy... ♦ Miandrandra fihaonana mivantana amin'ny Filohan'ny Repoblika ny SECES, ary mangataka ny fialan'ny Praiminisitra, tao anatin'ny Kôngresy Nasiônaly izay nataony... ♦ Nitombo isa ny herisetra mahazo ny mpanao gazety. Arahanao eto ny fanambarana navoakan'ny Holafitry ny mpanao gazety...
♦ Nangingina ny fitokanana ny seranam-piaramanidina vaovao ety Ivato androany. Ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahan-tany no nitokana azy ; tsy nanatrika ny Filoham-pirenena... ♦ Tsy miombon-kevitra amin'ireo fepetra noraisin'ny fitondrana nandritra ny Filankevitry ny ministra, manoloana ny fiparitahan'ny Covid-19, ny Solombavam-bahoaka Rolland Ratsiraka. Tsy vahaolana ho an'ny firenena izany, hoy izy, manoloana ny zava-misy...
♦ Nandray fepetra tsy hiparitahan'ny valan'aretina Covid-19 amin'ireo faritra telo tena ahitàna olona maro marary ny fitondram-panjakàna. Miditra amin'ny vanim-potoana fahamailona ara-pahasalamana ireo faritra ireo manomboka izao... ♦ Nodimandry alina ny filohan'ny Filan-kevi-pitantanan'ny Malagasy Dairy Board, Haingotiana Razafindraibe... ♦ Navitrika amin'ny fandoavan-ketra amin'ny alalan'ny anjara hetrako sy e-hetraphone ny any avaratry ny nosy...
♦ Hisokatra anio ny seranam-piaramanidina vaovao etsy Ivato. Nisy fanovana ny fifanarahana eo amin'ny Fanjakàna Malagasy sy ny Ravinala Airports, nosoniavina omaly teny Iavoloha... ♦ Nanambara ny Banky Foiben'ny Madagasikara fa tsy misy ary tsy mikasa hamoaka vola voavao izy ireo manoloana ny vaovao niparitaka tany amin'ny tambazotra-tserasera... ♦ Nohalavaina hatramin'ny faran'ny volana desambra izao ny hetsika fanateran'ireo izay mitàna azy ny basy tsy ara-dalana...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco