♦ Miantso ny hanangànana Governemanta hanarenana ny firenena ny Vondrona Pôlitika PAM, izy ireo mijoro ho mpanelanelana hisian'ny fifampiresahana eo amin'ny mpitondra sy ny mpanohitra... ♦ Manamarina ny fisian'ny trangan'aretina kitrotro amina Distrika vitsivitsy eto amin'ny nosy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Profesora Zely Arivelo Andriamanantany... ♦ Ady amin'ny fahalotoana rivotra, rano ary tany, nisitraka fitaovana fanaraha-maso sy fandrefesana ny merkiora ireo pôlisin'ny tontolo iainana... ♦ Nahemotra ho amin'ny 19 septambra ny famoahan'ny Fitsarana ara-miaramila ao RDC ho an'ny filoha telo aloha Joseph Kabila...
• Miantso ny hisian'ny diniky ny hery velona rehetra ny vondrona telo tonta PAM, hitadiavana vahaolana ho an'ny firenena... • Nambaran'ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray fa hiteraka fiantraikany goavana amin'ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara, raha sanatria ho tapaka ny AGOA. Asa miisa 70.000, no mety ho very vokatr'izany... • Miatrika ireo krizy telo lehibe maneran-tany isika eto Madagasikara: toy ny fiovan'ny toetrandro, ny fandotoana ary ny fahapotehana haingan'ireo zava-boahary...
♦ Manao ny ady sisika mba hanohizana ny tsenambarotra AGOA i Madagasikara. Nisy ankoatra izay ny famolavolana ny paik'ady nasionaly ho fanatsarana fanondranana miainga eto Madagasikara... ♦ Tsara raha nitaha tamin'ny taona maro lasa ny voka-panadinana ho an'ny teny anivon'ny AKAMA 67Ha. Efa misokatra ho an'ny mpianatra rehetra ity sekoly ity ankehitriny... ♦ Nodoran'ny Fokonolona ny fatin'ilay lehilahy iray voalaza fa nanao sorona zazalahikely 7 taona tany Andilamena... ♦ Hanatanteraka fivoriana lehibe hamaritana ny ho tohin'ny fitantanan-draharaham-panjakàna ao Népal, anio zoma, ireo tompon'andraikitra any an-toerana...
♦ Fifidianana tsy ara-dalàna ny fifidianana Loholona hotanterahana ny 11 desambra izao hoy ny hery fanoherana, ka milaza tsy handray anjara amin'izany izy ireo... ♦ Nandroso soso-kevitra amin'ny hitondran'ny filoha malagasy eo anatrehan'ny SADC ny fitakian'i Madagasikara ireo "nosy malagasy" amin'izao hitantanan'ny filoha malagasy ity vondrona ity izao, ny antoko TEZA... ♦ Mitondra vokatsoa ho an'ny sekoly AKAMA 67Ha ny fampiharana ny pôlitika fampiatiana. Mbola malalaka koa ny toerana ho an'ireo mpianatra eny amin'ity sekoly ity... ♦ Voasazy higadra 27 taona sy 3volana i Jair Bolsonaro filoha teo aloha any Brésil...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco