♦ Nametra-pialana ny ministry ny fitsarana Imbiki Herilaza. Nankatoavina omaly ny didim-panjakàna mamaritra izany,.. ♦ Vinavinaina hiditra eo anelanelan'i Antalaha sy Sante Marie rahampitso alina ilay andro ratsy izay mbola sokajiana ho "dépression tropicale", any amin'ny 1083 km, atsinanan'i Antalaha no misy azy... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe manomboka anio ny vadintany syny mpanao lavanty eto Madagasikara ka hampiato ny asa rehetra fanaony manerana ny nosy...

♦ Miantso famondronan-kery, fiaraha-midinik'ireo ray aman-dreny ara-drazana isan-tsokajiny ny fikambanana ara-drazana eto amintsika manoloana ny fahalovana sy ny fahaverezan'ny soatoavina maha malagasy... ♦ 11 febroary,andro eran-tany ho famindram-po ho an'ny marary, nanamarika ny faha-30 taona nanamarihana izany i Madagasikara... ♦ Hiakatra fitsaràna indray i Jean Nirina Rafanomezantsoa, mpitarika ny HAFARI Malagasy amin'ny alatsinainy...

♦ Nitsidika an'i Mahanoro omaly ny filohan'ny repoblika mivady sy ny praiministra, ary nanatrika ny fandefasana vary tsinjo hamatsiana an'i Nosy Varika... ♦ Nomarihana omaly ny faha-47 taona namonoana ny Kolonely Ratsimandrava Richard, nanamarika izany ny zandarimariam-pirenena tao Ambositra... ♦ Mitaky ny hampitsaharana ny fandoavam-bola ho an'ireo mpiadina misoratra anarana hiatrika ny fanadinana CEPE sy BEPC ny vovonan'ny sekoly tsy miantsika...

♦ Ho tonga amin'ny herinandro ny hélicoptère lehibe mpitaona entana, afaka hamatsy sakafo ireo disitrika izay saro-dalana amin'izao fotoana izao... ♦ 47 taona katroka androany ny nahafaty ny Kôlônely Ratsimandrava Richard. Misy hatrany isan-taona ny fahatsiarovana azy eny amin'ny Tsangambato Ambohijatovo Ambony... ♦ Efa misokatra amin'izao fotoana izao ny tranokalan'ny OJM na ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...