♦ Hihamaina amin'izay ny andro manomboka rahampitso amin'ireo toerana nisian'ny oram-be, raha ny nambaran'ny Météo. Hihena tsikelikely ihany koa ny rotsak'orana na dia mbola hanorana àry ny faritra maro anio... ♦ Niala tsiny tamin'ireo mpandraharaha tsy miankina ny Foibe Fitantanana ny Hetra, manoloana ilay taratasy milaza ny fanitsiana ara-ketra nivoaka. Diso, hoy ny Tale Jeneraly, ny filazana fa hamenoana ny banga amin'ny volam-panjakana ilay filazana fanitsiana ara-ketra ankehitriny...
♦ Hiverina anio alina ny fifamoivoizana any amin'ny lalam-pirenena faharoa... ♦ Miantso ny rehetra mba ho tony manoloana ny famatsiana solika ny Praminisitra Ntsay Christian... ♦ Miisa 36.657 ireo olona voatery nafindra toerana vokatry ny andro ratsy, ary tafakatra 35 ireo manty, raha ny tatitra navoakan'ny BNGRC farany... ♦ Andrasana amin'ity herinandro ity izay ho Filoham-pirenena vaovao any Italie...
♦ Mitombo ny haavon'ny reniranon'Ikopa sy i Sisaony ary i Mamba, tao aorian'ny filazana loza mitatao omaly. Miantso ny mponina amin'ny Kaominina andalalovan'ireo renirano telo ireo ny tompon'andraikitra, hitandrina ary hiala amin'izany toerana izany... ♦ Mitaky ny hanohizana ny tetik'asa Base Toliara ny fiaraha-monim-pirenena ivondronan'ireo ray aman-dreny any Toliara... ♦ Tokony hapetraka eto Madagasikara ny fahefa-mividy manara-penitra, hoy ny mpahay toe-karena Rakotoson D...
♦ Nihemotra i Madagasikara tao anatin'ny telo taona raha ny famakafakana nataon'ny antoko Vahoaka Miray. Olana ny tsy fihenoan'ny mpitondra ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena, hoy Gaby Vakiniadiana... ♦ Tsy nisy ny politika fiahiana ny mpiasa malagasy hoy ny Sendika FISEMARE. Tombana naton'izy ireo tao anatin'ny telo taona... ♦ Mihanaka ny valan'aretina Covid any amin'ny faritra avaratr'i Madagasikara. Ny 12 tamin'ny fitiliana 120 natao tao anatin'ny 24 ora no miabo...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco